1. Farito ny tanjonao, inona no tianao hatao?
Ireo tanjona dia milaza mazava tsara ny olana izay ezahinao hovahana sy ny vahaolana arosonao. Soraty:
a.) ilay olana hitanao
b.) ny vahaolana tianao hotratrarina. Ohatra, "Ny rivotra maloto dia mahatonga ny olona harary. Ny tanjoko dia ny hampihena ny fahalotoan'ny rivotra." Tsy tokony hihoatra ny fehezanteny roa ny valinteninao.
Fanamafisana ny tanjonao no atao amin’izany. Arakaraky ny mampazava sy mahavoafaritra tsara ny tanjonao, no hampitombo ny fahafahanao manatratra izany. Andramo ny mampifandray tarehimarika, toerana sy fotoana ho an’ny tanjonao. Ohatra, "Ny tanjoko dia ny hampihena ny fahalotoan'ny rivotra ao an-tanànako hatramin’ny faran’ity taona ity."
Ny toerana dia mety na aiza na aiza, manomboka eo amin'ny sekolinao hatrany amin'ny firenenao iray manontolo. Ny fotoana dia mety eo anelanelan'ny iray volana sy roa taona. Raha efa mpikatroka za-draharaha ianao dia afaka manana vina lehibe. Saingy mora kokoa ny mamolavola hetsika fanentanana kely, ary mianatra tsikelikely ny fomba fampandehanana hetsika fanentanana lehibe kokoa. Soraty tsara ny tanjonao.