3. Mitadiava olona manohana ny hevitra tohananao, iza no afaka manampy anao?
- Ny mpanohana anao, indraindray antsoina hoe ireo mpihaino anao, dia ireo olona izay mitovy hevitra aminao momba ilay olana ary handray andraikitra mba hanohanana ny hetsika fanentanana ataonao. Raha te hanomboka hetsika any amin'ny sekoly iray ianao dia ireo mpianatra hafa izay miahiahy momba ny fiovan'ny toetr'andro ihany koa no ho mpanohana anao. Raha te hampihena ny fahalotoan'ny rivotra ianao dia ireo ray aman-dreny manahy momba ny fahasalaman'ny zanany no ho mpanohana anao.
- Arakaraka ny maha voafaritra mazava ny zavatra ataonao no hahamora kokoa ny hanatraranao ny mpanaraka anao. Aza manoratra hoe "izay rehetra mahatsapa tena ho voakasika", ezaho fantarina hoe iza no manana anjara bebe kokoa amin'ilay olana ary iza amin’ireo olona kendrenao no tena afaka hihaino anao. Ohatra, raha te handresy lahatra ny governemantanao ianao mba hampihenana ny famoahana entona karbaonina, dia mety ho ny ankizy sy ny tanora no tena voakasik'izany, satria izy ireo no tena iharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro. Na izany aza, mety ho vonona kokoa hihaino ny olon-dehibe ny governemanta, ka azonao atao ny mandresy lahatra ireo mpampianatra sy mpitarika orinasa mba hanohana ny hetsika fanentanana ataonao.
- Manaova lisitr’ireo vondrona mpanohana 1 hatramin’ny 3 ho an'ny fanentanana ataonao. Soraty eo akaikin'ny anaran’izy ireo ny fomba ahafahanareo manatratra ny tanjona miaraka. Ahoana no ahazoan'izy ireo ireo fampahafantarana ilainy? Ohatra, azonao atao ny manoratra hoe "Mpianatra - fivoriamben'ny sekoly" na "Ray aman-dreny - Radio, gazety eo an-toerana, ny mpitondra fivavahana". Fantatrao izao ny mpanohana anao ary hainao ny mangataka azy ireo hanatevin-daharana ny fanentanana ataonao.