20Guite_To_Action.jpg

4. Farito ny paikadinao, ahoana no hataonao?

  1. Ny paikady dia ireo zavatra angatahinao hataon'ny mpanohana anao, mba handresena lahatra ny olona kendrena. Mba hanaovana izany, ny paikady ataonao dia tokony ho MORA ho an'ny mpanohana anao, kanefa ZAVA-DEHIBE mba ho voamariky ny olona kendrenao. Aza mangataka ny mpanohana anao hanao zavatra izay tsy ho vitany, toy ny fanomezana vola be na fandehanana lavitra mba hitsidika ny parlemanta. Aza manao zavatra kely (toy ny fanoratana lahatsoratra ao amin’ny Facebook) izay tsy ho hitan'ny olona kendrenao akory.
  2. Jereo ity lisitry ny paikady ity ary mariho ireo tianao andramana amin'ny fanentanana ataonao. Tsy ireo ihany no paikady. Afaka mamorona ianao - mandihy, mihira, tsy mandray anjara amin’ny vokatra iray. Raha mbola tsy mandika lalàna na mampidi-doza olona dia azo atao.
Teo aloha Manaraka