24Guite_To_Action.jpg

5. Omano ny lahateninao

Ahoana no hiresahanao momba ny fanentanana ataonao amin'ireo olona kendrenao?

  1. Izany no atao dia mba hahazoana antoka fa hitan'ny olona kendrenao ireo paikadinao. Matetika izany dia mitaky fihaonana mivantana amin'ny olona kendrena mba hanazavana aminy ny olana sy izay tianao hataony mba hamahana izany. Ohatra, olona miisa 500 ao an-tanànanao no nanao ny fanangonan-tsonia manohitra ny fandotoana ny rivotra iainana. Tsy maintsy mifanao fotoana amin'ilay olona kendrena ianao izao (ohatra, ny ben'ny tanàna) mba hanehoana aminy ilay fanangonan-tsonia. Rehefa mihaona amin'ny olona kendrenao ianao dia mahalalà fomba, mba hihainoan'izy ireo anao.
  2. Soraty ny fomba hahatratraranao ny olona kendrenao. Raha tsy mihaino anao izy amin'ny voalohany, dia afaka manandrana paikady hafa foana ianao. Ireto misy tetika hafa mba hisarihana ny sain'izy ireo:

Tsidiho mivantana ny biraony miaraka amin'ny mpanohana 2 na 4 (mahalalà fomba hatrany). - Manaova doka amin'ny gazety na onjam-peo izay mety ho vakiana na henon’ireo olona kendrenao - Manorata lahatsoratra maneho hevitra amin'ny gazety iray izay mety ho vakian’ny olona kendrenao. – Mariho (taggue) ny pejin'izy ireo ao amin’ny tambazotran-tserasera mahakasika ny lahatsoratra momba ny fanentanana ataonao.

Teo aloha Manaraka