6. Angony ireo mpiara-miasa aminao
Iza no efa misehatra amin'ilay olana?
- Mety tsy ianao sy ny mpanohana anao ihany no liana amin'ilay olana hitanareo. Mety efa miasa amin'izany koa ny vondrona hafa. Manaova fikarohana momba ilay olana ary jereo raha misy fikambanana efa manao fanentanana. Ohatra, raha miasa amin'ny fiovan'ny toetr'andro ianao dia afaka mifandray amin'ny fikambanana toa ny Green N Kool, Bôndy, na ny UNICEF. Soraty ireo fikambanana hitanao. Manontania tena raha afaka miara-miasa aminy ianao. Misy zavatra azonao ianarana amin’izy ireo ve?
- Misy karazana mpiara-miombon'antoka hafa koa, ireo vondrona izay tsy fikambanana mpanao fanentanana kanefa miahiahy ny olanao ihany koa ary mety henoin'ny olona kendrenao, toy ireo mpitondra fivavahana, ireo mpahay siansa, ireo oniversite na mpitarika orinasa. Mieritreritra olona toy izany ve ianao? Raha eny, mifandraisa amin'izy ireo.