7. Hamarino ny asanao
Vakio izay rehetra efa nosoratanao. Tokony hanana zavatra toy izao ianao:
- TANJONA mazava iray
- OLONA KENDRENA manokana
- Vondrona MPANOHANA 1 na 2 sy ny fomba hanatrarana azy ireo
- PAIKADY 1 hatramin’ny 3
- Fomba iray HANATANTERAHINA ny fanentanana ataonao eo amin’ireo olona kendrenao
- Lisitr'ireo MPIARA-MIASA mety hanampy anao.
Arahabaina ! Ity ny drafitry ny fanentanana ataonao..
*Azonao ovaina io drafitra io rehefa mandeha ny fotoana arakaraka ny zavatra nianaranao (ohatra, manampy paikady vaovao sy mpiara-miombon'antoka vaovao), kanefa ny fanentanana rehetra dia manaraka lamina mitovy amin'ity iray ity. Ny fanaovana fanentanana dia fahaiza-manao azonao ampiharina amin'ny fanamby rehetra, ary rehefa hainao ny mandrafitra fanentanana iray dia afaka manomana maro hafa ianao. Fa alohan’izay, andramo tanterahina aloha ity iray ity.