Cleaner energy means a healthier environment

Ireo angovo azo havaozina

Ny fandoroana ireo angovo azo avy amin’ny zavatra lo mba hamokarana herinaratra no tena mahatonga ny fiovaovan'ny toetr'andro. Afaka mamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina ihany koa anefa isika.

Efa nandre ny momba izany ve ianao?

Ireo angovo azo havaozina dia avy amin'ny loharanon’angovo tsy hanjavona mihitsy: ny Masoandro (angovo avy amin’ny masoandro), ny rivotra (angovo avy amin’ny rivotra), ny rano mandeha (angovo avy amin’ny rano), sns.

Ny karazana angovo izay fidian'ny firenena iray dia tokony mifototra amin'izay azo antoka indrindra sy misy eo an-toerana. Afaka mampihena ny angovo ampiasaintsika ihany koa isika, amin'ny fitandremana sy ny fampiasana teknolojia mahomby kokoa.

Teo aloha Manaraka