Lalàna & Fifanarahana
Ahoana no hisarihantsika ny governemanta sy ireo orinasa mba hampihatra ireo vahaolana tadiavintsika? Mila mamolavola lalàna! Ny lalàna toy ny hetra amin’ny karbaonina na ny rafitra famerana sy fifanakalozana dia ahafahana mifehy ny habetsaky ny entona azon'ny indostria iray avoaka. Fanampin'izany dia zava-dehibe ihany koa ireo fifanarahana izay ahitana ny faneken'ireo firenena maro mahakasika ny fanenana ny entona. Manampy ireo firenena mba hifanaraka amin'ny fomba ara-drariny hampihenana ny enton’ny karbônina izy ireo.
Mety efa nandre momba ny Fifanarahana momba ny toetrandro any Paris angamba ianao
Izay no nahatonga ireo firenena, tamin'ny taona 2015, nanaiky ny hampihenana ny famoahana entona, taorian'ny fifampiraharahana nandritra ny taona maro. Na izany aza, satria fanoloran-tena an-tsitrapo izany, dia tsy maintsy mamadika izany ho lalàna any aminy ireo firenena ireo, ary raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy manaiky ny hampihenana bebe kokoa ny entona mandritra ny fifampiraharahana tamin'ny 2021 izy ireo.
** Andao hijery an'i Madagasikara!**
Te-hahafantatra bebe kokoa momba ny fitantanana sy fanomezan-danja ny tontolo iainana eto Madagasikara ve ianao? Manana ny Lalàna laharana 2015 - 003 momba ny Satan'ny Tontolo Iainana izay azonao jerena eto isika.
Azonao atao ihany koa ny mamaky ireo lahatsoratra etsy ambany mba hahatakarana bebe kokoa ny rafitra mifehy ny tontolo iainana eto Madagasikara:
- Ny fehezan-dalàna fampifandrifiana ny Fampiasam-bola amin'ny Tontolo iainana (MECIE)
- Ny Lalàna laharana 2015-005 mikasika ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna mifehy ny faritra arovana na ny
- Ny Didim-pitondrana iraisan’ny ministera na Arrêté interministériel n° 4355 du 13 mai 1997, momba ny famaritana ireo faritra saropady.
- Ny Didim-pitondrana laharana 6830-2001 tamin’ny 28 jona 2001 na Arrêté n° 6830-2001 du 28 juin 2001 izay mirakitra ireo fepetra sy fomba fandraisana anjara amin’ny fanombanana ny tontolo iainana