WhatsApp Image 2024-07-04 at 15.27.00 (1)
Ny tanora sy ny fandriampahalemana

Inona ny atao hoe fandriampahalemana?

Ny atao hoe fandriampahalemana dia filaminana hita eo amin’ny fiarahamonina: fiainana lavitry ny herisetra ary miaina ao anatin ny fitoniana tanteraka amin' ny lafiny rehetra.

Lanjan’ny fandriampahalemana

Fepetra fototra amin’ny fampivoarana ara-tsosialy sy ara-ekonomika ny fandriampahalemana. Raha tsy misy ny fandriampahalemana dia mikorontana sy mitongilahila ny fiaraha-monina ary manjaka ny herisetra. Izany dia misakana ny fandrosoana sy miteraka vokany ratsy eo amin’ny maha-olona sy ny izay mikasika azy rehetra.

Anisan’ny singa mandrafitra ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (Objectifs du Developpement Durable-ODD) ny fandriampahalemana, ao amin’ny tanjona faha-16 no misy azy.

Mirakitra anatin’ny sehatra maro momba ny zon’olombelona ity ODD 16 ity, manome lanja ny fiaraha-monina izay manaja sy miaro ny zon’ny tsirairay, ny zo hanana fiainana manokana , ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ary ny zo mahazo vaovao.

Rehefa inona no atao hoe miaina anaty fandriampahalemana

Miaina anaty fandriam-pahalemana ny olona iray rehefa manjaka ny fifanajana sy firaisan-kina ary rehefa misy fitsipika hifampifehezana:

FIFANAJANA SY NY FIRAISANKINA

Ny fifanajana sy ny firaisankina no anisan’ny voambolana fototra ary soatoavina hifampizarana entina miaina sy mampiaina ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina. Raha tsorina, ny fifanajàna dia fihetsika atao amin’ny olona iray na zavatra iray na fiarahamonina sy vondrona iray entina hanomezan-danja azy bebe kokoa hisian’ny fitoviana sy fiarahamonina mirindra sy milamina.

Ny firaisankina kosa dia fifamatorana ara-piarahamonina sady fifampiankianan’ny olona mifampiahy.

FITSIPIKA HIFAMPIFEHEZANA EO AMIN'NY FIARAHA - MONINA:

Ny fisian’ny fitsipika sy fanajana azy eo amin’ny fiarahamonina no ahafahan’ny tsirairay mandanjalanja ny fihetsika tokony hataony no sady manefy ny toe-tsainy.

Ireo sakana tsy mampisy ny fandriampahalemana:

  • Harena sy fahefana eo ampelatan'olom-bitsy
  • Fitondrana ifandovana
  • Fahantrana mihahenjana @ sehatra rehetra
  • Tsy filaminana @ lafiny rehetra
  • Tsy fisiana: mampangalatra, mampangataka, mampialona…
  • Fihemoran ’ny fahaizana
  • Tsy fitoviana miharihary
  • Politikam-pampianarana tsy manaraka toetr’andro
  • Fifanambaniana, fanavakavahana, fanilikilihana: voambolana…

Vahaolana maharitra ho an’ny fandriampahalemana

Avy amin’ny fifanajana sy ny firaisan-kina no mampisy ny fandriam-pahalemana.

  • Fametrahana ny dialogue inter-generationnelle (cf consolidation de la paix), izany hoe fifanakalozan-kevitra eo amin’ny lehibe sy ny ankizy
  • Fampidirana ny momba ny fandriam-pahalemana anaty fandaharam-pianarana
  • Sorohana ny disadisa alohan’ny tsy hihitarany, izany hoe:
    • Ampiroboroboana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra: ny fanomezan-danja ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fiahiana ara-tsosialy dia mampihena ny fahantrana sy ny fahasamihafana, izay metetika fototry ny disadisa.
    • Omena vahana ny fifampiresahana sy ny fifanajana ny maha-izy azy ny hafa: amporisihana ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-pinoana entina hampihenana ny fitsarana ivelany sy ny fanavakavahana.
    • Hamafisina ny tany tan-dalana ary ireo andri-panjakana ara-demokratika: ny andrim-panjakana mafy fototra sy marina dia manampy amin’ny fisorohana ny fanaparam-pahefana sy miantoka ny fahafahan’ny olom-pirenena misitraka ny rariny.
    • Hamafisina ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana: fanenana fampiasana fitaovam-piadiana maneran-tany dia misoroka ny ady izay mety hiteraka fahafatesan’olona maro sy ny ra latsaka.
  • Sorohana am-pitoniana ny ady:
    • Fanelanelanana sy diplomasia: amporisihana ny fifampiresahana sy fifampiraharahana amin’ireo mpifanandrina mba ahitana vahaolana am-pitoniana.
    • Fanorenana fandriampahalemana: tohanana ny ezaka rehetra izay manangana indray ny fiaraha-monina aorian’ny fisian’ny ady, izay mamporisika ny fihavanana, ny fahamarinana ary ny fampandrosoana maharitra.
    • Fanabeazana momba ny fandriampahalemana: ampianarina ny ankizy sy ny olon-dehibe ny soatoavin’ny fandriam-pahalemana, ny tsy fampiasana herisetra ary ny fanajana ny zon’olombelona.
    • Fanentanana ny daholobe: Ampahalalana momba ny antony sy ny vokatry ny ady ny daholobe. Ampahafantarina ihany koa ireo ezaka hatao momba fandriampahalemana.
    • Fidiran’ny tanora an-tsehatra: amporisihana ny tanora handray ny tandrify azy amin’ny ezaka momba ny fandriam-pahalemana eo amin’ny fiaraha-monina sy manerana izao tontolo izao.

"Mila ezaka goavana avy amin’ny mpisehatra eo anivon’ny fiaraha-monina ny fandriampahalemana: ny fanjakana, ny vondrona iraisam-pirenena, ny fiaraha-monim-pirenena sy ny tsirairay"