Consent Article.png

Andao isika hiresaka momba ny fanekena

Ny fanekena dia teny mety efa ho renao rehefa miresaka momba ny firaisana ara-nofo sy ny fiarahana.

Misy ny fanekena rehefa misy olona manaiky zavatra iray amin'ny fomba mazava sy mahafaly, ary tsy misy fanerena hamaly izany. Tokony hangataka sy hahazo fanekena ianao isaky ny manao firaisana ara-nofo, na toy inona na toy inona izany. Ny firaisana tsy nekena dia antsoina hoe fanararaotana ara-nofo na fanolanana.

Zava-dehibe ny fanekena satria io no fomba ifandraisantsika sy ahazoantsika toky momba ny fihetseham-pon'ny olona iarahantsika; ny fanekena ihany no mamela antsika hanao izay zavatra mahafinaritra antsika sy ho an'ilay olon-tiantsika. Ny fanekena dia resaka ifanaovana tsy mitsahatra. Raha misy mangataka ny fanekenao dia tsara izany: matokia ary lazao izay tsapanao. Raha mangataka ny faneken’olon-kafa iray hafa ianao dia hajao hatrany ny valin-teniny raha miteny izy hoe "tsia". Tsarovy fa ny "tsia" dia midika hoe "tsia"; aza manandrana mandresy lahatra azy!

Ny olona mangina, mitsiky fotsiny, na toa tsy matoky tena, toa mitady hampifaly anao, dia tsy manaiky. Raha manaiky hanao firaisana ara-nofo ny olona iray noho ny faneren'ny fampitahorana, ny fandrahonana na ny herisetra, na eo ambanin'ny herin'ny toaka – dia tsy nanome ny fanekena an-kalalahana izy izany.


Ny fanekena dia:

  • Safidy malalaka azonao atao tsy misy fanerena na hery.
  • “Eny” feno hafanam-po izay tsy azo omena rehefa mamo, mifoka rongony na matory.
  • Omena rehefa misy olona manana ny fampahalalana rehetra ary mahafantatra ny tantara manontolo. Ohatra, raha misy milaza fa hampiasa kapaoty nefa tsy manao izany, dia tsy misy ny fanekena feno.
  • Resahana isaky ny dingana ary ny fanomezana fanekena amin'ny zavatra iray dia tsy midika hoe manaiky ny zava-drehetra.
  • Rehefa manao izay tena tianao hatao fotsiny ianao, fa tsy izay heverinao fa antenaina aminao.
  • Vonjimaika. Ny olona iray dia afaka miova hevitra ary misintona ny fanekeny amin'ny fotoana rehetra, na dia efa nanao firaisana tamin'io olona io aza izy ary na dia efa miboridana na matory miaraka aminy aza.

Raha tsy nanome ny fanekenao ianao ary niharan'ny fanorisorenana ara-nofo na herisetra ara-nofo, anisan'izany ny fanolanana, dia tsy fahadisoanao izany. Tsy maninona na irery niaraka tamin'olona aza ianao, na nivoaka alina, ary tsy maninona izay akanjo nanaovanao. Tsy omena tsiny ianao.

  • Raha te hitoroka trangana herisetra amin'ny endriny rehetra, antsoy ny laharana maitso 813 ny Alatsinainy ka hatramin'ny Zoma amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 10 ora alina sy ny asabotsy amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora hariva!
  • Raha te hitoroka trangana herisetra mianjady amin'ny ankizy dia antsoy ny laharana maitso 147. Maimaimpoana, mandeha 24 ora tsy ankiato, mandritra ny herinandro manontolo, na mitatitra izany ao amin'ny tranokala arozaza.mg

Fanekena ve izany?

Scenario: Efa volana vitsivitsy izay no nanaovan’i Fara sy Tojo firaisana ara-nofo. Indray hariva, nifamihina teo ambony seza lava izy ireo ary nanomboka nanala ny akanjon'i Fara i Tojo. Nolazain’i Fara fa tsy tena te hanao firaisana izy, nefa mbola nanala ny akanjony ihany i Tojo sady nolazainy fa azony antoka fa hiova hevitra i Fara. Nangataka azy indray i Fara mba hijanona, fa namaly izy fa raha tena tia azy i Fara dia hanam-paniriana ny hanao firaisana ara-nofo aminy. Manao firaisana ry zareo fa tsy nankasitrahan’i Fara izany.

Nisy fanekena nomena ve?

Mifidiana iray

Teo aloha Manaraka