101 Image

Fanontaniana manitikitika momba ny fadimbolana

Inona no atao hoe fotoana/fadimbolana?

Ny fadimbolana dia fiasa voajanahary amin'ny vatana, izay ahafahan'ny vehivavy mitondra vohoka sy miteraka. Mandritra ny fadimbolana, ny rà avy amin'ny tranonjaza (kibo) dia mandalo amin'ny fivaviana sy mivoaka ny vatana. Ara-dalàna sy ara-pahasalamana tanteraka ny fadimbolana!

Nahoana no tonga fotoana ny vehivavy?

Anisan'ny rafitry ny fitaovam-pananahana ny fadimbolana. Ny taovam-pananahana dia ahitana ny faritry ny vatana izay ahafahan'ny vehivavy miteraka.

Isaky ny tsingerin'ny fadimbolana, ny tsiloliky ny tranonjaza dia miomana handray atody avy amin’ny fitambaran’ny tsirivavy sy tsirilahy ary mihamatevina ny tamban-tsela sady miha-voto rà. Raha nitambatra ho iray ny tsirilahy sy tsirivavy, dia miraikitra ao anatin'io tamban-tsela io ilay tsirin’aina mitambatra ary lasa zazakely. Fa raha tsy mitambatra ho iray kosa ny tsirilahy sy tsirivavy, dia potehin’ny fivaviana ilay tsiloly.

Rahoviana aho no ho tonga fotoana voalohany?

Matetika manomboka eo anelanelan'ny 9 ka hatramin'ny 15 taona ny fadimbolana ho an'ny zazavavy, roa taona eo ho eo aorian'ny fipoiran’ny nonony.

Matetika ny vehivavy dia tratran’ny fitsaharam-potoana eo anelanelan'ny 45 sy 55 taona.

Firy ny fatrana rà ho very amiko?

Mety ho toa be dia be izany, saingy mitovy amin'ny telo sotrokely ny fitambarany. Ny ankamaroan'ny tovovavy sy ny vehivavy dia manana fikoriana mavesatra kokoa amin'ny fiandohan'ny fadimbolana ary mikoriana maivana kokoa izany amin'ny farany.

Ahoana no atao raha tsy manana fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny fadimbolana aho ary raha lavitra ny trano?

Raha tsy afaka manampy anao ny mpampianatra na ny namanao dia azonao aforitra ny taratasy lasoà na taratasy fidiovana mba hanamboarana lamba fampiasa amin’ny fadimbolana vonjimaika ary apetrao ao anatin’ny kilaotinao izany. Tsy azo ampiasaina ela be izy io, fa afaka manampy anao mandra-pahitanao zavatra mety kokoa.

Misy mahalala ve fa tonga fotoana aho?

Tsia. Raha tsy manapa-kevitra ny hilaza izany ianao, dia tsy hisy hahalala fa tonga fotoana ianao, satria tsy misy famantarana ny fadimbolana izay hitan’ny olona hafa. Na izany aza, raha tonga fotoana voalohany ianao ka mila fanampiana, dia tsara ny milaza amin'ny fianakavianao na ny namanao.

Haharitra hafiriana ny fadimbolako?

Matetika dia maharitra roa ka hatramin'ny fito andro ny fadimbolana, saingy mety ho lava kokoa.

Afaka mandeha any an-tsekoly sy manao fanatanjahan-tena ve aho?

Eny! Tsy misy antony tokony hanalavirana ny sekoly na hampitsaharanao ny fanatanjahan-tena toy ny mahazatra. Ataovy azo antoka fa manana fitaovana ara-pahasalama ho an’ny fadimbolana vitsivitsy ianao raha toa ka mila manova azy ireo mandritra ny andro fianarana.

Mbola tsy manomboka tonga fotoana aho! Inona no tokony hataoko?

Samy hafa daholo isika ary samy hafa ny fivoaran'ny vatantsika. Tsy ilaina ny taitaitra ary ny firesahana amin'ny mpampianatra dia afaka manampy anao hahatakatra ny zava-mitranga. Aza mieritreritra manatona dokotera raha mbola latsaky ny 16 taona ianao ka tsy mbola tonga ny fadimbolanao; raha maharitra fito andro na mihoatra ny fadimbolanao mahazatra; na raha manomboka ny fadimbolanao dia mijanona tampoka.

Inona no maha samy hafa ny lamba fampiasa amin’ny fadimbola fanary sy ny tapan-damba azo sasàna?

Ampiasaina indray mandeha ny lamba fanary ary ariana, raha toa ka azo ampiasaina sy sasana ary averina ampiasaina indray rehefa maina ny tapan-daba azo sasàna.

Tokony hijery dokotera ve aho rehefa manomboka tonga fotoana?

Tsia. Ara-dalàna sy voajanahary ny fadimbolana.

Tsy tonga indray mandeha isam-bolana toy ny ankizivavy hafa ny fadimbolako. Inona no tokony hataoko?

Ny isan'ny andro eo anelanelan'ny fadimbolana dia mety miovaova, indrindra mandritra ireo taona vitsivitsy eny am-piandohan’ny fadimbolana. Ara-dalàna sy ara-pahasalamana izany. Raha manana Internet sy smartphone ianao dia afaka manara-maso ny tsingerin’ny fadimbolanao amin’ny rindran-kajy OKY.

Teo aloha Manaraka