Why Am I Bleeding

Nahoana aho no mandeha ra?

Ny fandehanan’ny fotoananao, antsoina koa hoe fadimbolana, dia dingana voajanahary. Mitranga izany isam-bolana ho an'ny zazavavy sy vehivavy 1,8 lavitrisa maneran-tany. Ny ankamaroan'ny tovovavy dia tonga fotoana voalohany eo anelanelan'ny faha-10 sy 15 taona.

Reproductive System

Mandritra ny fadimbolana, dia misy rà mivoaka avy ao amin’ny fivaviana mandritra ny telo ka hatramin’ny fito andro eo ho eo. Io rà io dia avy amin'ny tranonjaza. Rehefa tonga fotoana voalohany ianao dia midika izany fa efa mavitrika izany ny taovam-pananahanao ary mety ho bevohoka ianao (rehefa manao firaisana). Tsara foana ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny miandry mandra-pahalehiben’ny vehivavy vao miteraka.

Na dia mety hampatahotra aza izany amin'ny voalohany ary tsy maintsy miatrika izany isam-bolana ianao, dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny fadimbolanao dia famantarana fa salama ianao ary mivoatra tsara ny vatanao.

Teo aloha Manaraka