What should I do?

Nanomboka ny fadimbolako! Inona no ataoko?

Fadimbolako voalohany izao ary tsy haiko izay miandry ahy. Inona no tokony hataoko voalohany?

W2 bottom

Ny fadimbolanao voalohany dia fiovana ara-dalàna sy voajanahary eo amin’ny vatanao, ary tsy misy tokony hampitaintaina anao mihitsy. Koa satria sambany ho anao izany dia resaho amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, zoky lahy na vavy, namana na mpampianatra azo itokisana. Afaka manampy anao hahazo fahalalana momba izany sy ny fitaovana ara-pahasalamana ilainao izy ireo.

Girl top dialogue 2

Ahoana no hijanonako madio mandritra ny fadimbolana?

W2 bottom

Mety ho tsy mampahazo aina ny fadimbolana, indrindra raha toa ka tsy nampoizinao izany! Saingy tadidio fa dingana voajanahary izany. Tsotra ny fitandroana ny fahadiovana:

  • Sasao amin’ny rano madio indray mandeha na indroa isan’andro ny ivelan’ny fivaviana (sy ny fenao raha misy ra) raha azo atao.
  • Sasao amin'ny rano mangatsiaka sy savony ny akanjo misy tasy.
  • Ovao ny lamba fampiasa amin’ny fadimbolana na tampan-damba na “tampon” raha vantany vao feno ilay izy mba hisorohana ny fivoahana (ho an'ny tampons, ovay farafahakeliny isaky ny 4 na 8 ora).
  • Tsy tokony hanasa ny ao anatin'ny fivaviana amin'ny rano, savony na vokatra hafa ianao.
Girl top dialogue 2

Ohatran’ny hoe sarotra ampiasaina ireo vokatra fikojakojana vatana ireo. Ahoana no hanapahako hevitra hoe iza no tsara ho ahy?

W2 bottom

Aza menamenatra. Ireo vokatra fikojakozana vatana dia mihatsara rehefa mandeha ny fotoana, ary misy izy ireo no hanamora ny fiainanao. Miankina amin'ny fisian'ny fivarotam-panafody na toeram-pivarotana eo an-toerana, dia azo atao ny misafidy amin'ny lamba fampiasa amin’ny fadimbolana, tampon, ny kaopin’ny fadimbolana na ny lamba ampiasaina amin’ny fadimbolana ampiasaina indray mandeha na azo sasana. Azonao atao ny manandrana azy rehetra ary manapa-kevitra hoe iza no mampahazo aina indrindra anao. Azonao atao koa ny manambatambatra sy sasany amin’izy ireo, arakaraka ny habetsaky ny fadimbolanao amin'ny andro sasany.

Girl top dialogue 2

Tadidio...

  • Toy ny mahazatra, sasao ny tananao alohan'ny hivoaka ny trano fidiovana sy aorian'ny fanovàna ny fitaovana fifiovana (lamba fampiasa amin’ny fadimbolana, tampons, sns.)
  • Aza ariana any anaty lavapiringa ny fitaovana fidiovana fa hanimba azy izany. Alohan'ny hametrahana azy ao anaty fako dia fonosy anaty taratasy fidiovana izany aloha.
  • Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hilamina ny fadimbolana ary ho mora kokoa ny manaraka azy, fa mandram-piandry izany dia ataovy vonona anaty kitaponao hatrany ireo fitaovana fidiovana raha sendra misy ny tampoka.
Teo aloha Manaraka