What happens during menstruation

Inona no mitranga mandritra ny fadimbolana ?

Inona no atao hoe tsingerin'ny fadimbolana?

Ny tsingerin'ny fadimbolana dia manomboka amin'ny andro voalohany amin'ny fadimbolanao ary mifarana amin'ny fiandohan'ny fadimbolanao manaraka. Antsoina hoe tsingerina izy io satria miverimberina tsy tapaka.

Mandritra ny tsingerin’ny fadimbolana, ny hormonina (zavatra simika ao amin'ny vatanao) dia miakatra sy midina, ka miteraka fiovana hafa eo amin'ny vatanao.

Mety haharitra eo anelanelan'ny 21 ka hatramin'ny 35 andro ny tsingerin'ny fadimbolana feno, fa ho an'ny ankamaroan'ny tovovavy sy ny vehivavy dia miovaova matetika ny halavany isaky ny tsingerina, ary miova izany mandritra ny taona.

Samy hafa ny olona rehetra, ary ara-dalàna ny fiovaovan'ny tsingerinao. Rehefa manomboka tonga fotoana ny tovovavy dia indraindray ihany no tsy miovaova ny tsingerin’ny fadimbolany. Mety hitranga iray volana ny fadimbolana fa amin’ny manaraka mety tsy ho izay, na mety mielanelana herinandro vitsivitsy monja.

Inona no mitranga mandritra ny fadimbolana?

Ny tsingerin'ny fadimbolana dia manomboka amin'ny fadimbolana, izay maharitra 2 ka hatramin'ny 7 andro eo ho eo.

  • Amin'ny tapany voalohany amin'ny tsingerin'ny fadimbolana dia manomboka matotra ny atody iray ao amin'ny ovaire ary miha-matevina ny fonon'ny tranonjaza izay manomboka voton-drà sy fonon-tsela.
  • Rehefa vonona ny atody dia mivoaka avy ao amin'ny iray amin'ireo ovaire (izany no atao hoe “ovulation”) ary mandeha midina amin'ny fantsona (antsoina hoe “fantson’i Fallope”) mankany amin'ny tranonjaza.
  • Raha tsy nitambatra amin’ny tsirilahy ilay tsirivavy dia potehin’ny fivaviana ny rà sy fonon-tsela nandrakotra ny tranon-njaza, ary izany no mivadika fadim-bolana.
Menstrual Cycle

Inona avy ireo ampahany amin'ny tsingerin'ny fadimbolana?

Ny tsingerin'ny fadimbolana dia ahitana ampahany roa lehibe: alohan'ny ovulation sy aorian'ny ovulation.

Ny fotoana alohan’ny ovulation dia manomboka amin'ny andro voalohany amin'ny fadimbolana ary mifarana amin'ny ovulation.

Mandritra ny fadimbolana dia mihamatotra ny atody ao amin'ny ovaire. Matetika ny iray ihany no lasa matotra tanteraka. Rehefa matotra ny atody dia mivoaka avy ao amin'ny ovaire, izay antsoina hoe ovulation. Ny tovovavy sy ny vehivavy dia lonaka mandritra ny dimy andro eo ho eo, iray andro mialoha sy aorian'ny ovulation.

Ny faharetan'ny preovulation dia miovaova be arakaraka ny vehivavy tsirairay ary arakaraka ny tsingerin’ny fadimbolana tsirairay. Matetika eo anelanelan'ny 13 sy 18 andro izany, saingy mety ho fohy koa anefa, 8 andro hatramin’ny 31 andro, arakaraka ny halavan'ny tsingerina.

Ny ampahany faharoa amin'ny tsingerin’ny fadimbolana na post-ovulation, dia manomboka aorian'ny ovulation ary mifarana ny andro alohan'ny hanombohan'ny fadimbolana manaraka. Matetika dia maharitra 10 ka hatramin'ny 15 andro izany, fa mety ho 6 ka hatramin'ny 16 andro.

Inona ny fotoana maha-mora bevohoka indrindra rehefa manao firaisana?

Mety ho bevohoka ianao amin'ny fotoana rehetra anaovanao firaisana ara-nofo tsy misy fandrindram-piterahana, saingy ny vehivavy dia mety ho bevohoka 2-3 andro aorian'ny ovulation. Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanabeazana aizana sy ny fandrindram-piterahana.

Hafiriana no velona ny atody aorian'ny famokarana atodinaina na "ovulation"?

Ny atody dia velona 12 hatramin'ny 24 ora aorian'ny famokarana atodinaina. Entin'ny vatana izy io rehefa maty ao amin'ny fantson-tsirivavy, raha tsy hoe nitambatra tamin’ny tsirilahy izy ka lasa tsiry tokana.

Inona no dikan'ny tsy fisian'ny fadimbolana?

Mety hitranga ny tsy fisian’ny fadimbolana tsy misy antony, indrindra mandritra ny taona voalohany amin'ny tsingerin’ny fadimbolana. Azonao atao ny manara-maso ny tsingerin’ny fadimbolanao amin'ny fanisana ny andro eo anelanelan'ny fiandohan'ny fadimbolanao sy ny fotoana hahatongavany. Raha manana finday sy Internet ianao dia afaka manara-maso ny tsingerin’ny fadimbolanao ianao amin’ny alàlan’ny rindrakajy OKY.

Misy antony hafa mety hisy fiantraikany amin'ny fotoanan'ny fadimbolanao:

  • ny rarin-tsaina
  • ny fanafody
  • fomba sasany hisorohana ny fitondrana vohoka
  • fomba fisakafoana, indrindra raha mampihena lanja
  • ny fanatanjahantena
  • ny dia.

Raha nanao firaisana ara-nofo tsy nampiasa fomba fisorohana fitondrana vohoka ny zazavavy iray (fanabeazana aizana), ny tsy fisian'ny fadimbolana dia famantarana iray fa mety ho bevohoka izy.

Teo aloha Manaraka