All about HIV cover.png

Fitiliana sy fitsaboana ny VIH

Tena ilaina ny fitiliana ny VIH. Io no hany fomba ahafantarana raha voan'ny VIH ianao na tsia. Raha “positif” ny fitilianao, dia afaka manomboka fitsaboana VIH aloha ianao mba ho salama. Mety ho sahiran-tsaina ianao, saingy tsara kokoa ny mahalala ny fisian’ny aretina. Eto Madagasikara dia 8%-n’ny olondehibe Malagasy ihany no nanao fitiliana, araka ny tatitra navoakan’ny ONUSIDA.

Inona no mitranga mandritra ny fitiliana VIH?

Ny fanaovana fitiliana VIH dia haingana, mora ary saika maimaim-poana foana. Mankanesa eny amin'ny tobim-pahasalamana.

Misy karazana fitiliana VIH samihafa. Asaina manome ra kely avy amin'ny rantsan-tànanao ianao na santionan'ny rora avy amin'ny vavanao. Raha fitiliana haingana ilay izy dia azo ao anatin'ny 20 minitra ny valiny. Ho an'ny karazana fitiliana hafa dia mety haharitra andro vitsivitsy izany. Raha “positif” ny fitiliana natao anao dia asaina manao fitiliana faharoa ianao mba hanamarinana ny valiny alohan'ny hanombohana fitsaboana.

Ara-dalàna ny mitebiteby alohan'ny handehananao manao fitiliana VIH ary mety te-hitondra namana ianao mba hanohana anao. Tsarovy fa tsiambaratelo ny fitiliana VIH - tsy hisy hahalala ny valin'ny fitilianao raha tsy lazainao azy ireo izany. Miankina amin'ny taonanao, mety mila mahazo alàlana avy amin'ny ray aman-dreny na mpiantoka ianao ahafahana manao ny fitiliana. Raha toa ka sarotra izany, miresaha amin'ny dokotera - afaka manampy anao izy ireo ary afaka hamaly ny fanontanianao rehetra.

Inona no fitsaboana azo atao amin'ny VIH ary ahoana no fiasan'izy ireo?

Ny VIH dia tsaboina amin'ny fanafody antsoina hoe antiretroviraux (ARV) na fitsaboana antiretroviral (TAR). Ny fitsaboana antiretroviral dia tsy manasitrana ny VIH, fa manampy amin'ny fifehezana ny tsimokaretina. Izy io dia miasa amin'ny fampihenana ny habetsahan'ny VIH ao amin'ny rà (antsoina hoe “charge virale”) ary manampy amin'ny fisorohana ny aretina. Rehefa miasa tsara ny fitsaboana antiretroviral dia mety hampihena ny tsimokaretina amin'ny olona iray ho ambany ka tsy ho azo refesina intsony amin’ny fitiliana - izany no antsoina hoe “tsy hita taratra tamin’ny fitiliana”. Na dia mbola mitondra ny tsimokaretina VIH aza ilay olona, ​​dia voafehy amin'ny fitsaboana izany, ary tsy afaka mamindra VIH intsony izy ary ho ela velona. Raha tsy misy fitsaboana, ny VIH dia manimba ny hery fanefitry ny vatana, izay tsy afaka miady amin'ny aretina intsony.

Ny fanombohana fitsaboana antiretroviral aloha dia manampy ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH ho salama, ka izany no maha zava-dehibe ny fitiliana ny VIH. Raha vao manomboka fitsaboana antiretroviral ny olona iray dia tsy maintsy mihinana izany isan'andro mandritra ny androm-piainany izy, raha tsy izany dia mety hijanona tsy hiasa tsara ny fitsaboana ary mety ho marary ilay olona.

Betsaka ny angano mampidi-doza momba ny fitsaboana ny VIH. TSY hanasitrana ny VIH ny firaisana ara-nofo amin'ny virijiny, na ny fanafody avy amin'ny zavamaniry.

Inona no zavatra fantatrao? Fantaro izany miaraka amin'ny fanontaniana – izay rehetra mahakasika ny VIH.

Fanontaniana rehetra momban'ny VIH

Ny vehivavy mitondra ny tsimokaretina VIH dia manan-janaka teraka tsy voan’ny VIH. Marina sa diso?

Mifidiana iray

Teo aloha