Living with HIV cover.png

Miaina miaraka amin'ny VIH sy firaisana ara-nofo

Ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH dia manana zo mitovy amin'ny olon-drehetra momba ny fiarahana sambatra sy feno fitiavana, saingy ny filazana amin'ny olona hafa fa mitondra ny tsimokaretina VIH ianao ("famborahana momba ny VIH") dia toa dingana lehibe. Tsarovy fa anjaranao ny manapa-kevitra hoe iza no lazainao fa mitondra ny tsimokaretina VIH ianao sy ny fotoana ilazanao azy ireo. Indrisy anefa fa any amin'ny toerana maro, ny VIH dia mbola mitarika fanilikilihana ary mety hatahotra na hitsara izany ny olona sasany. Any amin'ny toerana sasany, ny lalàna dia mitaky anao hampahafantatra ny VIH alohan'ny anaovanao firaisana.

Rehefa mahatsiaro ho vonona ianao, ny firesahana momba ny fiainanao mikasika ny fitondrana ny tsimokaretina VIH amin'ny olona iray itokisanao dia afaka manome fanohanana ara-pihetseham-po anao ary mety ho dingana lehibe amin'ny firaisana ara-nofo ihany koa. Afaka manampy ihany koa ny firesahana amin'ny mpanolo-tsaina na olona hafa mitondra ny tsimokaretina VIH – ohatra, ao anatin’ny vondrona mpanohana.

Ny fanombohana fiarahana vaovao dia mety tena mampientanentana, saingy mety hiteraka fanontaniana sarotra ihany koa izany, toy ny:

Rahoviana ianao no tokony hilaza amin'ny olon-tianao fa voan'ny VIH ianao?

Tsy misy fotoana tena "mety" hilazana amin'ny olon-tianao fa mitondra ny tsimokaretina VIH ianao; rehefa mahatsapa fa vonona tsara ianao dia izay no mety. Mety manana fanontaniana momba ny fomba nahazoanao VIH izy, koa eritrereto izay tianao holazaina. Matetika arakaraka ny fiandrasanao ela kokoa no vao mainka manasarotra ny firesahana izany.

Ahoana no hanombohana ny resaka?

Mety tsara ny manomboka miresaka momba ny VIH amin'ny ankapobeny. Azonao atao ny mametraka fanontaniana iray izay hanome anao hevitra momba ny fihetsik'izy ireo, toy ny hoe "Inona no holazainao amin'ny namana iray izay te hiaraka amin'ny olona voan'ny VIH?". Mety manana bokikely na fampahalalana hozaraina amin’izy ireo ianao, izay azon’izy ireo vakiana araka izay mampety azy.

Ahoana no ho fihetsik’izy ireo?

Tsy azo fantarina hoe ahoana ny fihetsiky ny olona manoloana ny resaka VIH. Ny olona sasany dia hahatakatra sy hanohana anao, fa ny hafa kosa hatahotra, ho taitra, na ho tezitra. Afaka miresaka amin'ny mpanoro hevitra na mpitsabo mpanampy ianao mba hanomanana ny valin'ireo fanontaniana mety hapetraka aminao na hahitana ny fomba hiatrehana ireo fanehoan-kevitra. Raha mila fanazavana mahasoa azonao zaraina dia tsidiho ny pejy – ny zava-drehetra mahakasika ny VIH.

Ahoana ny amin’ny firaisana ara-nofo?

Ny firesahana momba ny VIH amin'ny olon-tianao dia midika fa afaka mandray andraikitra amin'ny fanaovana firaisana ara-nofo azo antoka kokoa ianareo roa. Ny fampiasana kapaoty isaky ny manao firaisana dia manakana ny fifindran'ny VIH sy ny IST hafa ary miaro amin'ny fitondrana vohoka tsy nirina.

Betsaka ny toeram-pitsaboana VIH manome fimailo maimaim-poana sy fanabeazana aizana hafa. Afaka mieritreritra momba ny PrEP koa ny olon-tianao raha tsy mitondra ny tsimokaretina VIH izy. Tsarovy fa raha manaraka fitsaboana antiretroviral ianao ary raha tsy hita taratara amin’ny fitiliana ny tsimokaretina, dia mihena ny risika hifindran'ny VIH amin'ny olon-tianao, ka tokony hotohizana ny fitsaboana. Raha mikasa ny hanan-janaka ianao dia jereo ny pejy natokana ho an'ny fitondrana vohoka sy ny fanabeazana ho an’ny ray aman-dreny tanora.

Teo aloha Manaraka