Sex and other stuff cover.png

Ny firaisana ara-nofo, andao resahina !

Indraindray toa miresaka firaisana ara-nofo daholo ny rehetra! Ny "fahaverezan’ny naha-virijiny" sy ny firaisana ara-nofo voalohany dia mety ho toy ny raharaham-pirenena mihitsy, saingy tsy hazakazaka izany ary zava-dehibe ny fahatsapahanao hoe mahazo aina tsara ve ianao momba izany. Ny firaisana ara-nofo dia ampahany amin'ny fiarahana fotsiny ihany ary ny firaisana ara-nofo dia tsy porofom-pitiavana! Ny firaisan’ny lahy sy vavy dia tsy mijanona amin’ny resaka firaisana ara-nofo fotsiny ihany: izany dia mahakasika ireo olona mahasarika antsika (ankizilahy, ankizivavy, izy roa, na tsy iza tsy iza) sy ireo firaisana ara-nofo hafa azontsika atao tsy amin’ahiahy. Ny olon-drehetra dia manan-jo hahazo fahafinaretana avy amin’ny firaisana ara-nofo ary hanao firaisana ara-nofo tsy an-teritery, na inona na inona fironana ara-pananahana, ny maha-lahy na maha-vavy, ny sata misy azy mahakasika ny VIH na ny fahasamihafana hafa, anisan'izany ny olona manana fahasembanana.

Ireo zavatra tokony hotsaroana mikasika ny firaisana ara-nofo azo antoka sy mahafinaritra !

Andraso hoe vonona tsara ianao ary aza manao firaisana ara-nofo raha tsy hoe tena tianao atao izany - aza manao izany satria hoe te hiseho ho "cool" ianao na koa hoe efa nanao izany daholo ny namanao rehetra. Tsy hazakazaka izy io ! Mahatsiaro ho vonona ara-batana sy ara-pihetseham-po ve ianao ? Mahatsiaro milamina, mahazo aina ary tsy manana ahiahy ve ianao? Tsarovy fa afaka miova hevitra amin'ny fotoana rehetra ianao ary miteny hoe tsia.

Inona no tokony atao an-tsaina mba hisian'ny firaisana ara-nofo azo antoka sy mahafinaritra!

  • Andraso ho vonona tsara ianao ary aza manao firaisana ara-nofo raha tsy hoe tena mahatsiaro te hiditra amin’izany ianao – aza manao izany mba ho hitan’ny hafa hoe “cool” na koa hoe satria ny namanao manao izany. Tsy hazakazaka io resaka io! Mahatsiaro ho vonona ara-batana sy ara-pihetseham-po ve ianao? Mahatsiaro milamina, mahazo aina ary tsy manana ahiahy ve ianao? Tsarovy fa afaka miova hevitra ianao amin'ny fotoana rehetra ary miteny hoe tsia. Tsindrio raha te hianatra momba ny fanekena ianao
  • Ataovy izay hanontaniana sy hahazoana fankatoavana mikasika ny firaisana ara-nofo – ekena izany rehefa miteny mazava sy amim-pifaliana ilay olona ary tsy mahatsiaro ho voatery hamaly. Azonao fantarina eto ny momba izany fanekena izany.
  • Resaho izany! Fifampiresahana tsara = firaisana ara-nofo azo antoka. Resaho amin'ny olona miaraka aminao (sipanao) ny zavatra tsapanao sy izay tianareo na tsy tianareo. Aza manao izay tsy tianao hatao.
  • Tsarovy fa afaka manao karazana firaisana ara-nofo samihafa ianareo ary fomba samy hafa hanehoana ny fifandraisana tena akaiky.
  • Ataovy azo antoka fa mampiasa kapaoty ianareo mba hahafahanao manao firaisana ara-nofo, tsy atahorana ho bevohoka na hahazo aretina azo avy amin'ny firaisana (STI), anisan'izany ny VIH. Afaka mahazo fimailo sy fanabeazana aizana ianao eny amin'ny fivarotam-panafody, fivarotana entam-barotra ary CSB. Tsindrio eto raha te hahalala bebe kokoa momba ny fandrindrana fiterahana ianao. Tsindrio raha te hianatra momban'ny fimailo ianao
  • Tsarovy fa ny fanaovana firaisana voalohany, ny fanaovana firaisana ara-nofo mitsangana na "misintona" (misintona ny filahiana alohan'ny fivoahan’ny tsirin’aina) dia tsy mahasakana anao tsy ho bevohoka na hahazo aretina IST.
  • Tsarovy ireto teny fototra ireto na 4F: fifampiresahana, fanekena, fanabeazana aizana ary fimailo!

Trangana fanekena

Koto dia manana namana antsoina hoe Bema, izay mirehareha foana momba ny isan'ny zazavavy naira-nandry taminy. Nolazainy tamin'i Koto fa ny fomba tsotra indrindra hahatonga azy ireo hanao firaisana dia ny fifidianana ireo izay tena mamo ary omena toaka bebe kokoa izy ireo. Reharehan’i Bema ny milazalaza ny fomba ahafahany manao izay tiany rehefa matory na tsy mahatsiaro tena izy ireo.

Inona no tokony ataon’i Koto?

Mifidiana iray

Arovy sy karakarao hatrany ny tenanao

  • Ny fanolorana vola sy fanomezana ho an’ny olona iray mba hanaovany zavatra dia endrika fanaovana kolikoly na famehezana. Raha manaiky fanomezana ho takalon'ny firaisana ara-nofo ianao, dia omenao fahefana bebe kokoa aminao io olona io ary mety tsy ho afaka hisafidy ny karazana fiarahana sy firaisana ara-nofo mitranga aminao ianao. Fantaro bebe kokoa ny momba ireo fiarahana mahasoa.
  • Aza manao firaisana, indrindra amin'ny voalohany, rehefa avy nandray zavatra toy ny alikaola na zava-mahadomelina – matetika tsy mandeha amin’ny tokony ho izy izany! Tadidio fa tsy afaka manome fanekena ny olona raha mamo na tratran’ny herin'ny zava-mahadomelina.
  • Raha matahotra ny ho bevohoka ianao na ho voan'ny IST dia zava-dehibe ny manantona dokotera na CSB haingana. Ny ankamaroan'ny IST dia azo tsaboina raha mahazo torohevitra sy fitsaboana ara-potoana ianao. Ireo tolotra ireo dia manan-danja ary afaka sitrahan’ny rehetra. Tsindrio eto raha te hahalala bebe kokoa momba ny fitondrana vohoka ianao.

Fanontaniana momba ny firaisana ara-nofo

Manambady aho, noho izany tsy mila fankatoavana/na fanekena intsony amin'ny firaisana

Mifidiana iray

Manaraka