Section header.png

Fahatakarana ny fahasalamana ara-tsaina

Ny fahasalamana ara-tsaina dia zava-dehibe amin'ny fahatsaram-piainan’ny zatovo, fa inona moa izany ary nahoana izany no zava-dehibe?

Ny fahasalamana ara-tsaina dia mamaritra ny fahatsaram-piainana eo amin’ny lafin’ny ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po. Ny fahasalamana ara-tsaina dia tena ilaina amin'ny fivoarana ara-pahasalamana, ahafahana manao izay tiana atao, mankafy ny fiainana, mametraka fifandraisana matanjaka, manazatra tena amin’ny fiovana ary miatrika ny fanambin'ny fiainana. Ny fahasalamana ara-tsaina dia afaka manamafy ny faharetana eo amin'ny fiatrehana toe-javatra sarotra, fa tsy mandritra ny fahatanoranao ihany, satria ny toe-pahasalamana tsara ara-tsaina amin'ny fahazazana amin'ny ankapobeny dia manampy anao amin'ny faharetanao sy ny fahasalamanao mandritra ny androm-piainanao.

What is resilience?

Miatrika fotoan-tsarotra na krizy ny tsirairay; zavatra mahazatra amin’ny fiainana izany. Ny faharetana dia ny fahafahana miatrika fiovana, "miarina" ary miverina mahazo ny fahafaha-manao sy ny fahafaha-miasa toy ny talohan'ilay fotoan-tsarotra nolalovana. Raha manana faharetana ianao, dia matetika no afaka maka lesona avy amin'ny toe-javatra sarotra, izay manampy anao hitombo ara-pihetseham-po sy hampivelatra ny "fomba fiatrehana" sy "fahaiza-miatrika fiainana" matanjaka kokoa.

Ny "fomba fiatrehana fiovana" sy ny "fahaizana miatrika fiainana" no tetik’ady ampiasaintsika rehefa tojo fotoan-tsarotra ary manampy antsika hiatrika fihetseham-po maharary na sarotra ary handresy ny olana. Miaro ny fahasalamantsika ara-tsaina sy manampy antsika hahazo tombony betsaka amin'ny fiainana ny fomba fiatrehana fiovana sy ny fahaizana miatrika fiainana andavan’andro tsara sy mahasoa

Ary ny vaovao tsara: ny tanora rehetra dia manana fahafahana manamafy ny fomba fiatrehany sy ny fahaizany miatrika fiainana, ny faharetany ary ny fahasalamany ara-tsaina.

Ity pejy ity dia hanome anao toro-hevitra sy toro-làlana mahasoa maromaro momba ny fomba hanaovana izany, fa mialoha an’izany dia andeha hojerentsika ny fahalalanao momba ny fahasalamana ara-tsaina amin'ny alàlan’ny fanontaniana etsy ambany.

Nahafapo ve ity lohahevitra momban'ny fahasalamana ara-tsaina ity ?

Nahafapo ve ity lohahevitra momban'ny fahasalamana ara-tsaina ity ?

Mifidiana iray

Manaraka