Mental Health 4-Resize.png

Izaho sy ny rarin-tsaina

Ny rarin-tsaina dia ny fomba hamalian'ny vatanao ireo fanamby, sady hanomanany anao hiatrika izany amin'ny alàlan’ny fifantohana sy hery ary tanjaka. Ho an'ny tanora, ny rarin-tsaina dia mety tsy hampahazo aina, saingy tsy tena zava-dratsy izany. Indraindray isika dia mila rarin-tsaina hanerena antsika hanao zavatra sy hanosika antsika hanatanteraka na hamita asa iray.

Rehefa be loatra ny fanamby ary tsy ampy ny fahafahana miatrika izany, dia mety ho sarotra ny rarin-tsaina. Amin'ity tranga ity dia matetika isika no miresaka momba ny “toe-batana tratran’ny rarin-tsaina".

Ny rarin-tsaina dia afaka manova ny fomba fisainantsika, fihetseham-po ary fihetsika.


Ny famantarana ny rarin-tsaina


Misy fiantraikany amin'ny fihetseham-po ny rarin-tsaina. Mety mahatsapa ianao hoe:

  • Taitaitra,
  • mbetika faly mbetika tezitra,
  • te hitomany,
  • malahelo,
  • malaky tezitra,
  • ketraka, na
  • kivy

Misy fiantraikany amin’ny vatantsika koa ny rarin-tsaina. Mety tratran’ireto ianao:

  • aretin'andoha,
  • fanaintainan'ny soroka,
  • fanaintainan'ny vavony na valanorano,
  • sery na areti-mifindra matetika,
  • fihenan-danja na fitomboan-danja,
  • fanina, na
  • fisefoana haingana.

Manova ny fomba fisainanao ny rarin-tsaina. Mety manana olana ianao amin’ny:

  • fifantohana,
  • fitadidiana,
  • fandrindrana,
  • fandaminana, na
  • fandraisana fanapahan-kevitra

Mety handany fotoana koa ianao amin’ny fieritreretana olana ary ho sarotra ho anao ny mampiadana na manajanona ny eritreritrao, indrindra eny amin'ny tambazotra sosialy.

Manova ny fomba fihetsikao ny rarin-tsaina. Ianao dia mety:

  • hanajanona ny fandraisana anjaranao amin'ny zavatra izay mahafinaritra anao matetika,
  • handà tsy handeha hianatra, na
  • hanajanona ny fianarana tsara.

Matetika ny olona tratran’ny rarin-saina dia miaina ao anatin'ny toe-javatra faran'izay mafy: mihetsiketsika foana na manana olana amin'ny fialana eo am-pandriana. Mety hisy fiantraikany amin'ny torimaso izany, na ny torimaso be loatra na kely loatra. Ny olona sasany dia mety hitodika any amin'ny fanafody manala fanaintainana izay amidy eny amin’ny mpivarotra mahazatra, na misotro toaka, na mifoaka zava-mahadomelina hafa. Mety hanao fihetsika mahery vaika amin'ny olon-kafa na zavatra izy ireo.


Ny antony mahatonga ny rarin-tsaina


Zavatra maro no mahatonga tsindry ho an'ny tanora. Mety ho:

  • sekoly, entimody, fanadinana ary fifandraisana amin'ny namana,
  • fiovana, toy ny fahazoana diplaoma, oniversite na asa,
  • fahasahiranana tafahoatra,
  • fahatsiarovan-tena ho tsy vonona na tsy mahay manao zavatra.

Misy antony hafa mety hahatonga rarin-tsaina; anisan’izany ny tsy fahampian'ny torimaso sy ny sakafo, ny ratram-po, na ny fiovan'ny toe-javatra, toy ny fahafatesan'ny namana na havana iray.

Raha te handray andraikitra ianao dia jereo ireto:

Teo aloha Manaraka