Depression and silent struggles.png

Miatrika ny fandrahonana sy fampitahorana!

Ny atao hoe fandrahonana/fampitahorana dia rehefa misy olona minia manao ratsy amin’olon-kafa miverimberina. Tsy ekena mihitsy ny fampitahorana. Ireo marika famantarana dia ny ratra ara-batana, olana any am-pianarana ary alahelo ao an-trano.

Mety hitranga mivantana ny fampitahorana. Mety hitranga amin'ny aterineto ihany koa izy ireo - ohatra, amin'ny alàlan'ny hafatra an-tsoratra masiaka na fitenenana zavatra ratsy amin'ny tambazotra. Fampitahorana amin’ny aterineto izany. Mandratra ireo endrika fampitahorana rehetra.

Ny ady eo amin’ny mpinamana, na teny masiaka dia tsy azo raisina ho fampitahorana. Ny fampitahorana.dia fihetsika ratsy sy mandratra izay miverimberina hatrany hatrany.

Ireto misy hevitra manampy amin'ny fiatrehana izany:

  • Aza rarahina ary alaviro izy ireny: Halavito ireo olona mandrabiraby sy mampatahotra anao.
  • Lazao ilay olona mba hijanona: Ny fijoroana am-pitoniana amin'ny olona dia mampahafantatra azy ireo fa tsy mandeha ny tetika ataony.
  • Halaviro ireo toerana atahorana: Raha mbola tsy manakana anao tsy hanao izay tianao hatao izany.
  • Mijanona miaraka amin'ny olon-kafa: Raha mijanona miaraka amin'ny namanao ianao dia mety tsy hanelingelina anao ilay olona. Afaka mijanona amin'izay toerana misy mpampianatra koa ianao.
  • Mangataha fanampiana: Mety ho azon’ny hafa ny zavatra iainanao ary afaka manampy anao raha mila izany ianao. Mety tsy dia handrahona anao ny olona rehefa hitan’izy ireo fa manana olona mpanohana ianao.
  • Miresaha amin'ny mpampianatra na ray aman-dreny: Afaka manampy anao hamaha ilay olana ny mpampianatra na ny ray aman-dreninao. Mety ho sarotra ny miatrika ny fandrahonana, ary eo ireo olon-dehibe mba hanampy anao.
Teo aloha Manaraka