Being A young parent cover.png

Miatrika rarin-tsaina amin’ny maha ray aman-dreny tanora

Ny fananana zazakely sy amin’ny maha-ray aman-dreny dia manova ny fiainana. Mety hitondra fifaliana lehibe izany, nefa koa mety hahatonga fahatsapana fahasorenana sy fahatsapana ho manirery indraindray.

Matetika ny ray aman-dreny tanora dia tsaraina tsy ara-drariny ary tratran’ny fanavakavahana, na dia manao ny asany ara-dalàna aza izy ireo. Mety hahatsapa ho tsy atokisan’ny olona ianao amin’ny fanapahan-kevitra momba ny zanakao. Mety hanampy anao ny fihaonana amin’ny ray aman-dreny tanora hafa sy ny fananana olona iresahana.

Fihetseham-po

Maro ny olona mahatsapa fitiavana mahery vaika ho an’ny zanany, fa misy hafa kosa sahirana amin'ny famoronana fifandraisana na mahatsapa ho tsy mahavita miatrika izany.

Sarotra ny mijanona ao an-trano miaraka amin'ny zazakely mitomany. Raha toa ka mahasorena na mahatezitra anao ny fitomanian’ny zanakao, dia:

  • Apetraho amin'ny toerana azo antoka izy ary mandehana any amin'ny efitrano hafa mandritra ny 10 minitra mba hampitony anao.
  • Raha mahatsapa toy izany ianao dia lazao avy hatrany ny olon-tianao, ny namanao na ny mpitsabo anao mba hahafahany manampy anao hahazo ny fanohanana ilainao.
  • Raha toa tsy mitovy amin'ny mahazatra ny fitomanin’ny zanakao, na raha misy soritr'aretina hafa izy dia manantòna mpitsabo raha tsy salama izy.

Ny fikorotanan-tsaina mafy aorian'ny fiterahana dia karazana fahaketrahana izay iainan'ny ray aman-dreny maro - anisan'izany ny ray - aorian'ny fahaterahan’ny zaza.

Ireo famantarana:

  • fahatsapana alahelo sy fahasorenana maharitra
  • tsy fahampian'ny fahafinaretana sy fahaverezan'ny fahalianana amin'ny tontolo ivelany
  • tsy fahampian'ny hery
  • fahasarotana amin'ny torimaso amin'ny alina, mahatsiaro rendremana mandritra ny andro
  • fahasarotana amin’ny fifandraisana amin'ny zanakao
  • fialana amin'ny fifandraisana amin'ny olon-kafa
  • fahasarotana amin’ny fifantohana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra
  • eritreritra mampatahotra - ohatra, ny fieritreretana momba ny fankahalana na fandratrana ny zanakao.

Ny fahaketrahana aorian'ny fiterahana dia mivoatra ary matetika tsy voamarika mandritra ny fotoana maharitra, na dia mandritra ny taona maro aza. Lazao amin'olona raha mahatsikaritra ireo famantarana ireo ianao.

Ireo fifandraisana

Ny fikarakarana zazakely dia mety hanimba fifandraisana na dia tena matanjaka aza izany. Vehivavy maro no reraka ary tsy manana fotoana sy hery hanaovana zavatra hafa ankoatra ny fikarakarana ny zanany. Mety ho tezitra ny lehilahy sasany fa toa tsy manam-potoana na tsy liana aminy intsony ny olon-tiany. Resaho ny zavatra tsapanareo roa ary mitadiava fomba hiarahana mahafinaritra na dia eo aza ireo olana mifandraika amin'ny fahatongavan’ny zaza vao teraka.

Mety ho sarotra koa ny toerana amin’ny maha-ray aman-dreny rehefa tsy mitovy hevitra mahakasika ny fitaizana ny ankizy ianareo, indrindra raha miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreninao na ny rafozanao ianao, satria mety hiseho ho toy ny mahafantatra kokoa noho ianao izy ireo. Andramo ny mampandray anjara azy ireo amin'ny fomba tsara, ary ataovy mazava tsara fa ianareo no manapa-kevitra momba ny fitaizana ny zanakareo.

Mitadiava fanohanana

Manantòna olona ao amin'ny fianakaviana atokisanao na ndana mihaona amin'ny ray aman-dreny tanora hafa. Hanampy anao tsy hahatsiaro ho irery izany.

Tranga – Ray aman-dreny tanora

Niteraka zazavavikely i Lova 3 volana lasa izay. Miara-mipetraka amin’ny vadiny ao amin’ny rafozany izy. Mahatsiaro tena ho manirery sy malahelo i Lova, satria tsy mahazo fanohanana avy amin'ny fianakaviany. Ny renin’ny vadiny dia manome tsiny sy manivaiva azy nohon’ny tsy nahazoany zazalahikely ary manakiana izay rehetra ataony. Mampinono izy fa ny rafozambaviny dia miteny aminy fa malemy ny rononony ka tokony omena ronono anaty tavoahangy ilay zaza mba hampatanjaka azy. Ny vadin’i Lova dia niteny taminy mba tsy hiraharaha izany satria tsy manana asa na vola izy, ary miantehitra amin’ny fianakaviana izy ireo mba hivelomana. Tena malahelo mafy sy matahotra ny mijanona irery miaraka amin’ny rafozany i Lova, nefa tsy te hampisy olana amin’ny vadiny izy.

Inona no tokony ataon'i Lova ?

Mifidiana iray

Teo aloha