Miezaha mifoka rivotra lalina

Anatin'ny fiainana ny fitaintainana sy ny fahasosorana indraindray. Ny fahaizana mitony rehefa matahotra, mitebiteby, mitaintaina na sahiran-tsaina dia fahaiza-miaina tsara. Misy fomba maro ahafahana mampitony sy miala sasatra. Ny iray amin'ireo fomba mora sy haingana indrindra dia ny fakana rivotra lalina.

Self-care.png

Ny fifohana rivotra lalina dia teknika mahomby hampihenana ny fahatsapana fahatezerana, rarin-tsaina ary tebiteby. Ny fifohana rivotra miadana dia mampitony ny vatana, izay manampy antsika hahatsapa ho tony sy hahay hiatrika. Raha toa ianao ka mahatsapa ho resin’ny fihetseham-ponao, dia andramo ity fanazaran-tena ity mba hanampiana anao ho tony. Misy dingana efatra ny fakana rivotra ao anaty boaty:

  1. mifoha rivotra,
  2. tazomy ny fofonainao,
  3. avohay ny fofonainao,
  4. tazomy.

Maharitra efatra segondra ny dingana tsirairay. Araho ny fihetsika:

Mivonona

Manisà hatramin'ny 10 mba hampifantoka anao.

Mitadiava fomba fipetraky ny vatana. Na mipetraka ianao, na mametraka ny tongotrao amin'ny tany na mitsilany.

Apetraho eo amin'ny kibonao ny tananao ary akombony ny molotrao

Dingana 1 – Mifoha rivotra

Mifoha rivotra amin’ny oronao sady manisa efatra. Ezaho ampidinina ao an-kibonao ny rivotra, eo amin’ny faritra misy ny tananao. Raha tsy afaka miaina tsara amin'ny orona ianao dia afaka miaina amin'ny vavanao!

1....

2....

3....

4....

Dingana 2 - Tazony ny fofonainao

Tazomy ny fofonainao mba hameno ny havokavokao mandritra ny fanisana efatra.

1....

2....

3....

4....

Dingana 3 – Avotsory miadana

Avotsory moramora, eo am-panisana hatramin’ny efatra.

1....

2....

3....

4....

Dingana 4 - Tazony ny fofonainao

Tazony indray ny fofonainao, miaraka amin'ny havokavoka foana mandritra ny fanisana hatramin’ny efatra.

1....

2....

3....

4....

Miverena amin'ny dingana 1 ary avereno

Miverena mifoka rivotra indray, manomboka amin'ny dingana 1 indray sady mifoka rivotra no manisa efatra. Avereno ity fihetsika ity mandritra ny iray minitra.

Akimpio ny masonao

Mitonia, ataovy malefaka ny vatanao.

Soso-kevitra:

  • Aza manisa haingana loatra! Raha sarotra aminao ilay fanisana hatramin’ny efatra, andramo atomboka amin’ny fanisana hatramin’ny telo.
  • Jereo ny tananao eo amin'ny kibonao mihetsika miakatra sy midina rehefa miaina ianao - izany dia mampiseho anao fa manao ilay fihetsika tsara ianao.
  • Ampitomboy ny fahatanjahanao amin'ny fanazaran-tena mandritra ny iray minitra feno.
  • Manaova fanazaran-tena rehefa tsy voan’ny rarin-tsaina ianao, mba ho vonona amin’izany ianao rehefa ilaina izany.
  • Rehefa mikorotan-tsaina ianao, dia lazao ny tenanao hoe: “Mianatra miatrika aho rehefa mikorotan-tsaina, mba hananako hery hiatrehana ireo toe-javatra sarotra, ary mirehareha amin’ny tenako aho”. Ampiasao avy eo ny teknikan'ny fangalana fofon’aina mba hifehezanao ny tenanao sy ny fihetseham-ponao.
Teo aloha