You are the solution!

Afaka manampy ihany koa ianao!

FITSITSIANA NY ANGOVO

Cleaner energy means a healthier environment

Misy fomba maro afaka hampihenana ny dian-karbaoninao (ny fatran'ny CO2 avoakanao amin'ny asanao andavanandro) ao an-trano sy any am-pianarana. Ny hetsika voalohany dia ny famporisihana ny fianakavianao tsy hampiasa arina fandrehitra intsony amin’ny fandrahoan-tsakafo, fa hifidy fatana mitsitsy na fatana mandeha amin’ny alàlan’ny entona hafa. Ny faharoa dia ny famonoana ny jiro na ny fitaovana rehetra mandeha amin’ny herinaratra rehefa tsy mampiasa azy.

FITATERANA MAITSO

Reduce your emissions!

Miezaha mitady fitaovam-pitaterana miaro ny tontolo iainana: Raha azo antoka ny manao izany dia mifidiana bisikileta na mandeha an-tongotra rehefa akaiky ny dia aleha.

AHENA, AMPIASAINA INDRAY, AHODINA

Climate change affects water quality and quantity

Misy ilay ohapitenenana tranainy manao hoe: ahena, ampiasaina indray ary ahodina. Miezaha mampiasa ireo vokatra maharitra kokoa, mampiasà indray ary mamorona zava-baovao avy amin’izay efa anananao, izay tokony hahafinaritra. Rehefa tonga ny fotoana hanariana entana iray dia andramo ahodina hivadika zavatra hafa izany. Afaka mahita fampianarana momba ny fanodinana mahafinaritra ato ianao:

ASANDRATO NY FEONAO ARY MANDRAISA ANJARA

It is not too late!

Inona anefa no atao raha mbola manao tavy sy mampiasa arina fandrehitra ihany ny olona? Na raha tsy misy toerana afaka anavaozana ireo zavatra tsy ampiasaina intsony? Eto no mitsofoka ny hetsika mahery vaika indrindra amin'ny rehetra: ny fanentanana. Ny fanentanana dia ny filazana amin'ireo mpanapa-kevitra, toy ny governemanta, ny filankevitry ny tanàna ary ny tale jeneralin'ny orinasa, izay tianao hataon'izy ireo mba ho fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Azonao atao ihany koa ny mandray anjara amin'ny fidirana amin'ireo fikambanana izay miady amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Hitanao eto ny lisitr’ireo fikambanana azonao idirana any amin'ny faritra misy anao ka aza miandry ela!

Teo aloha