Rafitra ara-tsakafo tsara koakoa
FAMBOLENA MAHARITRA
Ny fambolena no loharano faharoa mahatonga ny fahalotoan’ny tontolo iainana vokatry ny karbaona. Amin'izao fotoana izao, ireo toeram-ponenan’ny karbaona voajanahary toy ny ala tropikaly, izay "mihazona" karbaona bebe kokoa noho ny tany fambolena, dia may, ary ireo toeram-pambolena dia mamoaka karbaona ihany koa satria miha-simba. Ny fambolena maharitra sy maoderina dia afaka manampy antsika hamokatra voly bebe kokoa amin'ny toerana kely kokoa, mba hamerenana ireo toeram-pambolena tranainy amin'ny toetrany tany am-boalohany. Ny fambolena maharitra ihany koa dia mampiasa rano kely kokoa, ary koa fanafody famonoana bibikely sy zezika vitsy kokoa na tsara kokoa, mba andraisany anjara amin'ny fiarovana ireo zava-maina.
SAKAFON’NY ADOLANTSENTO SY NY TANORA
Fotoana fitomboana haingana dia haingana ny adolentsento. Mandritra ny fahamaotiana, ny vatana dia mahazo eo amin'ny 15%-n’ny halavany farany satria mitombo 7 hatramin'ny 9 sm isan-taona sy 50%-n’ny lanjany rehefa lehibe. Ireo fiovana rehetra ireo dia mitaky fihinanana sakafo manan-danja mba hamaliana ireo filàna ara-tsakafo manokana ho an'ny adolantsento. Eto Madagasikara, araka ny valin’ny fanadihadiana MICS 2018, dia manodidina ny 35,6%-n’ny vehivavy no milaza fa nitondra vohoka voalohany talohan’ny faha-18 taonany. Io vohoka aloha loatra io no mampiroborobo ny fifindran'ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny taranaka ary mampitombo ny mety hisian'ny fahafatesan'ny reny. Raha ny marina, ny OMD tamin’ny taona 2012 dia nampiseho fa ny 40% amin'ny fahafatesan'ny reny dia mitranga eo amin'ireo tovovavy 15 hatramin’ny 24 taona. Ny fahazoana antoka fa ny adolantsento, indrindra fa ireo tovovavy, dia afaka misitraka ireo sakafo mifanaraka amin'ny fitombony dia zava-dehibe ho an'ny fivoarany manokana sy ho an'ny taranaka ho avy.