Air pollution worsens climate change

Nahoana isika no miaina ny fiovan'ny toetr'andro?

Ny atmosfera na ny soson-drivotra: firakofantsika

Ny atmosfera dia toy ny bodofotsy izay mampafana antsika. Izany soson-drivotra izany dia ahitana entona mampiakatra ny maripanan’ny tany izay manakana ireo tara-masoandro tsy hivoaka eny amin’ny habakabaka. Inona anefa no mitranga raha toa ka mitombo io karazana entona io ao amin'ny atmosfera? Hafana loatra isika. Efa izany rahateo no mitranga ankehitriny.

Avy aiza ireo entona mampiakatra ny maripanan’ny tany ireo ?

Mandoro ireo angovo azo avy amin’ny zavatra lo ny olona mba hampandehanana ny herinaratra, ny orinasa, ny fiara, ny sambo ary ny môtô. Eto Madagasikara dia mandoro zava-maniry isika rehefa manadio ny tanintsika ho an’ny fambolena, izay antsoin’ny rehetra hoe "Tavy". Any amin’ny faritra Mahafaly sy any amin’ny alan’ny faritra avaratr’i Madagasikara no tena ahitana izany fomba izany. Isan-taona dia may ny 1/3-n’ny tanin’ny Malagasy. Ary izany dia mamokatra ilay entona mampidi-doza indrindra amin'izy rehetra, dia ny gazy karbonika izany, na ny CO2.

Misy entona mampidi-doza hafa, toy ny metanina izay vokatry rezatry ny biby fiompy any amin’ny toeram-piompiana na mivoaka avy amin'ny fantsona mitondra entona, ny protoxyde d’azote izay ahazoana ny zezika ampiasaina amin'ny fambolena. Saingy ny CO2 izay azo avy amin'ny solika, ny arina ary ny entona no tena mampanahy indrindra, kanefa dia ampiasaintsika izany ho mari-pandrefesana ireo entona hafa.

Ny CO2 dia hita ao amin'ny vatan'ny zava-manan’aina rehetra, anisan'izany ny anao, ary "hazonin’ny" (voafandriky ny) photosynthèse -n’ny zavamaniry sy ny ahidrano. Talohan'izay, ny ankamaroan'ny karibaona dia tafavoaka ho azy avy amin'ny atmosfera noho ny zavamaniry, ny ahidrano ary ny ranomasimbe izay nitroka azy. Ny arina, ohatra, dia vita tamin’ny hazo tranainy, ary ny solika kosa dia avy amin’ny ahidrano taloha ela be.

Ny Fanantenantsika

Saingy nanomboka tamin'ny revolisiona indostrialy tamin'ny taonjato faha-19, dia nandoro ireo angovo azo avy amin’ny zavatra lo bebe kokoa isika ary nanapaka ala bebe kokoa. Mba hiarovana antsika dia tsy maintsy ampidinina ny tahan'ny CO2 maneran-tany ho lasa ampahany 350 isaky ny tapitrisa ao amin'ny atmosfera (raha toa ka 410 ppm izany ankehitriny) ary tsy maintsy atsahatra ny hafanana mihoatra ny 1,5 degré Celsius (raha toa ka 1 degré ankehitriny).

Manaraka