Climate change favors natural disasters

Ny fiovan'ny toetr'andro, manan-danja sa tsia?

NY TOETR’ANDRO

Rehefa mafana ny tany dia manova ny toetry ny rivotra sy ny ranomasina. Mampikorontana ny toetr’andro izay ivon’ny fanorenana ireo toeram-piompiana sy tanàna izany, tao anatin’izay 6 000 taona lasa izay. Na aiza na aiza, dia ahitana fiovaovan'ny rotsak'orana na ny maripana. Any amin'ny toerana maro dia tafahoatra loatra ireo fiovana ireo.

  1. Ny oram-baratra sy ny tondra-drano: Ny ranomasimbe mafana loatra dia mitarika entona bebe kokoa. Midika izany fa ny rahona dia mitroka rano betsaka kokoa alohan'ny hanariana azy amin'ny tany. Midika izany fa amin’ireo toerana efa misy rivo-doza sy tafio-drivotra dia mihamitombo isa hatrany ny tafiotra. Any amin'ireo faritra mangatsiaka kosa, dia mety hitarika tondra-drano ihany koa ny ranomandry.
  2. Ny hain-tany: Raha milatsaka amin’ny toerana iray ny orana, dia tsy milatsaka kosa any amin’ny faritra hafa. Ny fiovan’ny rotsak’orana dia miteraka hain-tany amin’ny toerana maro toa an’i Madagasikara , izay anisan’ireo firenena folo iharan’ny loza voajanahary indrindra maneran-tany, ary firenena afrikanina tena fandalovan’ny rivodoza indrindra.
  3. Dorotanety: Ny fitomboan’ny entona sy ny fihenan'ny rotsak'orana dia mamela ny zava-maniry ho maina. Ireo zava-maniry maina sy ny maripana ambony dia manamora ny fiparitahan'ny afo. Tany Brezila, Aostralia ary Etazonia, am-polony ny olona maty, an'arivony no namoy ny trano fonenany ary trano an-tapitrisany hektara no rava. Mampidi-doza ihany koa ny dorotanety satria mamoaka karbaona bebe kokoa any amin'ny atmosfera.

HANOHANANA

Climate change threatens food security

Ny orana be loatra dia manimba ny voly, raha kely loatra dia miteraka hain-tany. Ny hafanana be loatra dia mampiroborobo ny fihanaky ny bibikely sy ny aretina manimba ny voly sy ny biby fiompy. Izany rehetra izany dia midika fitomboan’ny hanohanana eto amin'izao tontolo izao. Mampiseho izany teoria izany ny tranga any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara satria olona maherin’ny 1 tapitrisa no tratry ny hamehana ara-tsakafo vokatry ny hain-tany, ary ankizy maherin’ny iray hetsy no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.

NY HAAVON’NY RANOMASINA

What are the consequences of climate change?

Mampiakatra ny haavon'ny ranomasina ny fiempoan'ny ranomandry any Groenland sy Antarktika. Miitatra ny rano rehefa mafana, ka noho izany ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina dia vokatry ny velaran’ny ranomasimbe ihany koa. Ireo firenena iva toerana toa ireo nosy any Pasifika sy Bangladesh no tena tandindomin-doza. Ny ranomasimbe mafana dia tsy afaka mitahiry ny karbaonina ao ambaniny (toy ny balaonina marobe miforona rehefa mangotraka rano). Noho izany, arakaraky ny hiakaran’ny hafanany no amoahany karbaonina, ka izay no manafaingana ny fiovan’ny toetr’andro.

NY FAHASALAMANA

Climate change helps diseases spread

Rehefa miakatra ny maripana, dia afaka mifindra lavitra kokoa ireo bibikely tia hafanana toy ny moka, ka mahatonga ny olona maro ho tratry ny aretina toy ny tazomoka, ny dengue ary ny “zika”. Ny fiovaovan'ny toetr'andro ihany koa dia mitarika fahafatesana maro vokatry ny hafanana be loatra. Ny fandoroana ireo angovo azo avy amin’ny zavatra lo sy ny dorotanety, izay mahatonga ny fiovaovan'ny toetr'andro dia mampitombo ihany koa ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ka miteraka homamiadana, aretim-po isan-karazany, olana eo amin'ny taovam-pisefoana, fahasimban'ny atidoha ary fahaterahana tsy tonga volana.

I Madagasikara no firenena fahefatra aty Afrika amin’ny fahafatesan’olona betsaka indrindra vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Na izany aza, araka ny nambaran’ny OMS dia fahafatesana 6 000 no azo sorohina eto Madagasikara raha voaaro ny tontolo iainana. Anisan’ny tena lasibatr’ireo aretina mifandraika amin’ny fiovan’ny toetr’andro toy ny aretin’ny taovam-pisefoana sy aretim-pivalanana ny ankizy.

ADY & FIFINDRA-MONINA

Raise awareness of climate change!

Rehefa mihamitombo ireo olana rehetra ireo dia tsy maintsy mifindra monina ny olona mba hiarovany ny tenany. Raha mandao ny tranony noho ny fiakaran’ny ranomasina ireo mponina any amin’ireo nosy any Pasifika, dia ny hain-tany sy ny kere any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara kosa no manosika ireo mponina sasany hitady izay metimety any amin’ireo faritra avaratra. Ny fikatsahana ireo loharanon-karena sarotra hita, miaraka amin'ny fitomboan'ny fifindra-monina, dia tsy maintsy hitarika ady vaovao sy fahaterahan’ireo ady taloha indray.

NY HARENA VOAJANAHARY

What is climate change?

Mety handrava ny fonenan'ny biby sy zavamaniry maro ny fihetsiky ny olombelona sy ny toetr’andro, toy ny tondra-drano sy ny doroala isan-karazany. Ny biby sasany dia mila hatsiaka mba ahafahany mihinana na miteraka, fa ny hafa kosa maty noho ny hafanana. Rehefa mihamafana, ohatra, ny ranomasimbe, dia manomboka maty ireo haran-dranomasina. Ny haran-dranomasina anefa no fototry ny firindran’ny tontolo iainana any an-dranomasina. Maherin'ny 60%-n'ireo biby no noripahan'ny olombelona tato anatin’ny 50 taona.

Karazana biby sy zavamaniry iray tapitrisa, fara fahakeliny, no atahorana ho lany tamingana. Tsy hoe ratsy ho azy ireo ihany izany, fa ho antsika ihany koa, satria miankina tanteraka amin’ny tontolo iainana mirindra isika. Ireo bibikely dia mamindra vovobony amin’ny volintsika, olona an-tapitrisany no miantehitra amin'ny trondro mba hataony sakafo; biby sy zavamaniry maro no mamokatra fanafody, ary isika rehetra dia miaina amin’ny oksizenina avy amin'ny zavamaniry sy ny lomotra.

Maherin'ny 250.000 ireo karazana zava-manan’aina mitoetra eto Madagasikara, ka ny 70% amin'ireo dia tsy hita raha tsy eto Madagasikara ihany. Misy karazany fito, ohatra, ny baobab hita eto amin’ny nosy, raha karazany iray ihany manerana ny kaontinanta afrikanina. Kanefa araka ny filazan’ny WWF, dia ny 25%-n’ireo karazan-java-manan’aina eto Madagasikara dia atahorana ho lany tamingana noho ny fiovan’ny toetr’andro.

Teo aloha Manaraka