UReport Subsection Banner.png

Asandrato ny feonao !

Inona ny U-Report ?

U-Report dia sehatra ahafahanao maneho hevitra mahakasika ireo lohahevitra mahaliana ny tanora !

Ohatran'ny ahoana ny fandehan'ny U-Report ?

Tsotra ny fidirana ho U-Reporter ! Alefaso SMS ny teny ureport, soramadinika tsy misy elanelana, any amin'ny 301 ! Manomboka eo dia hisy fakan-kevitra alefa aminao isam-bolana mahakasika ireo lohahevitra ilaina anehoanao hevitra : fianarana, fahasalamana,sns... Ny valin'ny fakan-kevitra dia hitanao amin'ny tranokala an'ny U-Report sy ny Pejy Facebook U-Report Madagascar

U-Report dia maimaim-poana amin'ireo tambazotra rehetra na Airtel, Telma, Orange !

Atao inona ireo fakan-kevitra amin'ny U-Report ?

Ny fakan-kevitra dia ahafahana mahafantatra ny hevitrao ary indrindra ampianarana anao lohahevitra mahaliana anao !

Fa maninona no miditra U-Report ?

U-Report dia teny anglisy midika hoe "Ianao mitatitra". Rehefa U-Reporter ianao dia maneho ny hevitrao. Fantatrao ve fa ny tanora dia 2/3 ny mponina eto Madagasikara ? Any amin'ny firenena toy ny Uganda, U-Report dia fitaovana hijeren'ny antenimieram-pirenena ny hevitry ny tanora ! Ny hevitry ny maro mahataka-davitra ! Aza misalasala intsony, midira U-Reporter ary entano ireo namanao !