Ataovy lasa tena mpampiasa aterineto ianao
Zavatra 10 tokony ho fantatry ny rehetra
Torohevitra lehibe indrindra amin'ny fampiasana aterineto & tambajotra sosialy
- Hajao izay soratan'ny hafa amin'ny tambajotra sosialy na dia tsy mitovy hevitra aza ianao.
- Aza manome ny mombamomba anao manokana toy ny adiresinao, ny laharan-telefaona, na ny fampahalalana momba ny banky.
- Mitandrema rehefa mividy zavatra an-tserasera - mividiana amin'ny tranokala malaza ihany.
- Tandremo ny zava-drehetra maimaim-poana amin'ny aterineto - mety ho fisolokiana ireny. Amin'ny tranokala malaza ihany misintona zavatra.
- Tsarovy fa na dia ireo fisarihana maimaim-poana aza dia mety handany vola satria mampiasa angondrakitra / fahana izy ireo.
- Azonao atao ny manova ny firafitry ny tsiambaratelon'ny fiainanao manokana eo amin’ny tambajotra sosialy mba hifehezana izay afaka mahita ny fampahalalana sy ny sary alefanao.
- Aza mino izay rehetra novakianao an-tserasera amin'ny voalohany - mitadiava lahatsoratra hafa, tranokala na olona itokisanao mba hanamafisana fa marina ilay vaovao.
- Manan-jo hanana fiainana manokana ny tsirairay, anisan'izany ny tenanao sy ny hafa. Tsy mety ny miditra amin'ny kaontin'olon-kafa, mampiasa ny findainy na ny mombamomba azy raha tsy nahazoana alàlana.
- Aza manely tsaho na mizara vaovao na sary mandratra na mahamenatra. Mety handratra ny hafa ny zavatra toa mahatsikaiky anao.
- Mieritrereta aloha vao manindry ny "alefaso" - indrindra raha maratra na tezitra ianao. Rehefa mandefa sary na video ianao dia tsy mora ny mifehy ny zava-mitranga sy izay mahita azy.