fbee1c974691411381f5c1afcce220f9

Ataovy lasa tena mpampiasa aterineto ianao

Zavatra 10 tokony ho fantatry ny rehetra

Torohevitra lehibe indrindra amin'ny fampiasana aterineto & tambajotra sosialy

  1. Hajao izay soratan'ny hafa amin'ny tambajotra sosialy na dia tsy mitovy hevitra aza ianao.
  2. Aza manome ny mombamomba anao manokana toy ny adiresinao, ny laharan-telefaona, na ny fampahalalana momba ny banky.
  3. Mitandrema rehefa mividy zavatra an-tserasera - mividiana amin'ny tranokala malaza ihany.
  4. Tandremo ny zava-drehetra maimaim-poana amin'ny aterineto - mety ho fisolokiana ireny. Amin'ny tranokala malaza ihany misintona zavatra.
  5. Tsarovy fa na dia ireo fisarihana maimaim-poana aza dia mety handany vola satria mampiasa angondrakitra / fahana izy ireo.
  6. Azonao atao ny manova ny firafitry ny tsiambaratelon'ny fiainanao manokana eo amin’ny tambajotra sosialy mba hifehezana izay afaka mahita ny fampahalalana sy ny sary alefanao.
  7. Aza mino izay rehetra novakianao an-tserasera amin'ny voalohany - mitadiava lahatsoratra hafa, tranokala na olona itokisanao mba hanamafisana fa marina ilay vaovao.
  8. Manan-jo hanana fiainana manokana ny tsirairay, anisan'izany ny tenanao sy ny hafa. Tsy mety ny miditra amin'ny kaontin'olon-kafa, mampiasa ny findainy na ny mombamomba azy raha tsy nahazoana alàlana.
  9. Aza manely tsaho na mizara vaovao na sary mandratra na mahamenatra. Mety handratra ny hafa ny zavatra toa mahatsikaiky anao.
  10. Mieritrereta aloha vao manindry ny "alefaso" - indrindra raha maratra na tezitra ianao. Rehefa mandefa sary na video ianao dia tsy mora ny mifehy ny zava-mitranga sy izay mahita azy.
Manaraka