Tena misy ve io tolotra io ?
Nisy nandefa hafatra aho nilaza fa nomena asa aho. Asaina mandeha any amin'ny toerana iray aho mba hihaonana amiko manokana. Inona no tokony hataoko ?
-
Efa nanao fangatahana asa na nifandray tamin'olona iray ve ianao? Raha tsy izany dia mety ho fisolokiana izany. Mitandrema.
-
Manaova fikarohana momba ilay toeram-piasana na orinasa – karohy amin'ny aterineto na anontanio ny namanao.
-
Mila mitandrina ianao raha sambany vao mihaona amin'ny olona nifaneraseranao tamin'ny aterineto.
-
Misafidiana toerana misokatra ho an'ny besinimaro hihaonana (ohatra, toeram-pivarotana).
-
Lazao foana amin'ny olona ao amin'ny fianakavianao na namanao ny toerana halehanao sy hanaovana fotoana.
-
Mbola tsara kokoa: mangataha namana na olona ao amin'ny fianakavianao hiaraka aminao.