11a0c0a54d0348d8b2d8ae33bd07369c

Sary / votoaty manohintohina anao

Sary / votoaty manohintohina anao

  • Raha fantatrao ilay olona nandefa ity fanehoan-kevitra na sary ity, dia azonao atao ny mandefa hafatra aminy na miresaka mivantana aminy mba hanazavana ny antony nandratra na nanafintohina anao amin’ilay hafatra na sary.

  • Azonao atao ihany koa ny “ne plus suivre” izay midika hoe tsy manaraka intsony, na “retirer de la liste d’amis’ izay midika hoe manala amin’ny listry ny namanao” na “bloquer” midika hoe manakana ilay olona, mba tsy hahitana intsony ireo hafany. Azo atao izany amin’ny ankamaroan'ny tambajotra sosialy. Ao amin'ny Facebook dia azonao atao ny manindry ny mombamomba ilay olona ary misafidy ny "bloquer" midika hoe manakana. Noho izany dia tsy afaka mandefa hafatra aminao avy amin'ity kaonty ity intsony ilay olona.

  • Amin'ny sehatra maromaro, azo atao ny mitoroka hafatra na sary mifanohitra amin'ny fenitry ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny tambajotra sosialy. Ao amin'ny Facebook, azonao atao ny mitoroka fanorisorenana, herisetra an-tsary ary “spam”, ankoatra ny zavatra hafa. Ampiasao ny faritra misy hoe "signaler" midika hoe mitoroka eo akaikin'ilay hafatra na sary.

  • Azonao atao koa ny mitoroka ireo olona tsy manaraka ny fitsipiky ny Facebook amin'ny alàlan'ny fidirana ao amin'ny mombamomba azy ary tsindrio ny “signaler”.

Teo aloha Manaraka