3da652b3a4e94865824880b2bec31dac

Maharay hafatra ve ianao milaza fa nahazo vola ianao?

Naharay hafatra aho nilaza tamiko fa nahazo vola na loka aho – inona no tokony hataoko ?

  • Raha mifandray amin'ny aterineto ianao, dia mety hahazo mailaka na hafatra an-tsoratra ao amin'ny boaty famelan-kafatra ho anao milaza fa nahazo vola na loka ianao, ohatra, finday na fitsangatsanganana.

  • Na indraindray ireo hafatra ireo dia hilaza fa misy olona mila anao mba hikarakara ny volany.

  • Matetika ianao no hangatahana fampahalalana toy ny kaontinao amin'ny banky na ny antsipirian'ny tena manokana, ohatra ny laharan'ny famantarana. Fisolokiana ireo hafatra ireo.

  • Kely ny vintana hahazoanao na inona na inona raha tsy nandray anjara tamin'ny fifaninanana ianao.

  • Aza kitihina na oviana na oviana ny rohy amin'ny hafatra avy amin'ny olona tsy fantatrao.

  • Aza omenao na oviana na oviana ny tenimiafinao na ny mombamomba anao manokana (toy ny anaranao, adiresy mailaka, na fampahalalana momba ny banky) amin'ny olona tsy fantatrao.

Teo aloha Manaraka