052d5f5041d94a3ca708bcf7632b6505

Fantatrao ve ilay olona te hampiditra anao ao amin'ny lisitry ny namany?

Misy mangataka amiko ny hampidirako azy ho ao anatin’ny lisitry ny namako – kanefa tsy fantatro io olona io, inona no tokony hataoko?

  • Indraindray ny olona dia te hifandray sy hanana namana maro ao amin'ny tambajotra sosialy ary mandefa fangatahana fampidirana anaty lisitry ny namana amin’ny olona tsy fantany.

  • Alohan'ny hanekena olona iray dia jereo ny mombamomba azy mba iezahana mamantatra hoe iza ilay olona. Manana namana iombonana ve ianareo? Avy amin'ny tanàna iray ihany ve ianareo?

  • Tsy voatery hanaiky ny fangatahana ianao raha tsy te hizara ny mombamomba anao manokana amin'io olona io. Aza mahatsiaro ho voatery hanao izany ianao.

  • Jereo ny firafitry ny tsiambaratelon’ny mombamomba anao manokana mba tsy ahafahan'ity olona ity mahita ny mombamomba anao raha tsy tianao izany.

  • Tsarovy ihany koa fa indraindray ny olona dia miseho ho olon-kafa ao amin'ny aterineto.

Teo aloha