5fe9c2a9badb4af096bcbb73ab68564b

Ahoana no hiarovana ny tenanao amin'ny fanorisorenana?

Misy mandefa hafatra mampihoron-koditra ho ahy amin'ny tambajotra sosialy, mampalahelo ahy/mampahatezitra ahy izany. Inona no azoko atao ?

Raha misy mandefa hafatra izay mampalahelo anao na mahasosotra anao amin'ny tambajotra sosialy ianao, dia azonao atao ny maka fepetra maromaro:

  • Voalohany, AZA MANDEFA hafatra mahatsiravina. Lazao amin'olona atokisanao ny zava-mitranga sy ny fihetseham-ponao.

  • Raha fantatrao ilay olona dia azonao atao ny manapa-kevitra ny hiresaka aminy manokana mba hanazavana ny antony mahatonga ny hafany mampalahelo anao, manelingelina anao na mahasosotra anao.

  • Ny ankamaroan'ny tambajotra sosialy dia mamela anao "hanakana" olona iray izay tsy tianao hifandraisana na hifanakalozana hafatra. Ao amin'ny Facebook, azonao atao ny manindry ny mombamomba ilay olona, avy eo tsindrio ny "bloquer" (midika hoe “sakano”). Izany faritra izany dia mety tsy mitovy arakaraka ny telefaona ampiasainao.

  • Ny ankamaroan'ny tambajotra sosialy dia manana fitsipika henjana manohitra ny fampitahorana sy fanorisorenana ary manome anao safidy hitoroka ireo izay tsy manaraka izany fitsipika izany Ao amin'ny Facebook ianao dia afaka mitoroka ireo olona mandika ny fitsipika amin'ny alàlan'ny fijerena ny mombamomba azy ary fanindriana ny "signaler".

  • Raha latsaky ny 18 taona ianao, dia misy nomeraon-telefaona manokana raha mila miresaka amin'olona momba ny olanao ianao. Maimaimpoana ny fiantsoana ity laharana ity.

Teo aloha Manaraka