Fantatrao ve ilay olona te hampiditra anao ao amin'ny lisitry ny namany?
Misy mangataka amiko ny hampidirako azy ho ao anatin’ny lisitry ny namako – kanefa tsy fantatro io olona io, inona no tokony hataoko?
-
Indraindray ny olona dia te hifandray sy hanana namana maro ao amin'ny tambajotra sosialy ary mandefa fangatahana fampidirana anaty lisitry ny namana amin’ny olona tsy fantany.
-
Alohan'ny hanekena olona iray dia jereo ny mombamomba azy mba iezahana mamantatra hoe iza ilay olona. Manana namana iombonana ve ianareo? Avy amin'ny tanàna iray ihany ve ianareo?
-
Tsy voatery hanaiky ny fangatahana ianao raha tsy te hizara ny mombamomba anao manokana amin'io olona io. Aza mahatsiaro ho voatery hanao izany ianao.
-
Jereo ny firafitry ny tsiambaratelon’ny mombamomba anao manokana mba tsy ahafahan'ity olona ity mahita ny mombamomba anao raha tsy tianao izany.
-
Tsarovy ihany koa fa indraindray ny olona dia miseho ho olon-kafa ao amin'ny aterineto.