625fc022cba74ba980374ea8ce92de1e

Fampiasana aterineto ho an'ny tetik’asa

Manao fikarohana momba ny tetik’asa any an-tsekoly/anjerimanontolo aho – ahoana no ahafahako mampiasa aterineto?

  • Ny aterineto dia ahitana fampahalalana mahasoa maro ho an'ny devoara sy tetik’asa. Azonao atao ny manomboka amin'ny fampiasana vohikalam-pikarohana na Wikipedia, amin’ny alàlan’ny fanoratana ny tenifototra izay mamaritra tsara indrindra izay tadiavinao.

  • Raha mitady fanazavana ho an'ny sekoly na oniversite ianao, dia jereo foana ny "loharano" na "loharanon-kevitra" hahitanao hoe iza no namoaka an'ilay vaovao.

  • Ny loharanom-baovao na loharanon-kevitra tsara ho an'ny tetik’asan'ny sekoly sy ny oniversite dia ny: oniversite, boky fianarana akademika, tranokalan'ny fikambanana lehibe, tatitra ofisialy, sns.

  • Tanisao ireo tranonkala tsidihinao.

  • Mety ilainao izany mba hanomanana lisitra antsoina hoe “fakan-teny” (bibliographie) izay hampidirina ao amin'ny tetik’asanao.

  • Fomba fanao tsara ny manome ny anarana sy ny fampahalalana momba ny loharanom-baovao tany am-boalohany ao amin'ny fakan-teny momba ny tetik’asa any an-tsekoly na any amin’ny oniversite.

  • Hamarino hoe oviana no navoaka ny vaovao – mety misy vaovao farany kokoa. Tadidio fa miova matetika ny zavatra, toy ny antontan'isa.

  • Tsarovy fa tsy voatery ho marina daholo izay vakianao amin'ny aterineto – mitandrema amin'ireo loharano itokisanao.

Précédent Suivant