06 Student Expert.png

Lasa mpianatra manam-pahaizana momba ny COVID-19

Inona no maha samy hafa ny coronavirus sy ny COVID-19?

Ny Coronavirus dia fianakavian'ny otrikaretina izay mety hiteraka aretina eo amin'ny olombelona. Ny COVID-19, miaraka amin'ny SRAS sy ny MERS, dia iray amin'ireo otrikaretina maro ao amin'ity fianakaviana ity izay mety hiteraka olana amin'ny taovam-pisefoana.

Inona avy ireo soritr'aretina isehoan’ny COVID-19 ?

  • Tazo

  • Orona mirotsaka ranon-delo

  • Kohaka

  • Harerahana

  • Olan'ny taovam-pisefoana

Ahoana ny fiparitahan'ny COVID-19?

Ny COVID-19 dia miparitaka amin'ny alàlan'ny fofon’aina, miendrika piti-drora kely tsy hita maso. Rehefa misy olona mifoka rivotra, mikohaka na mievina, dia mipitika eny amin’ny rivotra izany piti-drora kely izany ka mety hisy olon-kafa hifoka azy io. Rehefa mianjera avy eny amin’ny rivotra izany piti-drora madinika izany dia afaka miaina eny ambonin’ny zavatra ihany koa izy ireo, ka mety ho voakasiky ny olona izany; io olona io indray dia mety hikasika ny tarehiny, ny vavany, ny masony na ny orony. Izany no maha zava-dehibe ny fanajana ny elanelana 1 metatra sy ny fanasana tanana tsy tapaka amin'ny rano sy savony.

Inona no atao hoe valan’aretina?

Nosokajian’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) ho valan’aretina maneran-tany ny COVID-19 tamin’ny 12 martsa 2020. Midika izany fa niparitaka nanerana izao tontolo izao ilay otrikaretina.

Inona no atao hoe elanelana 1 metatra?

Ny fitazonana ny elanelana 1 metatra dia midika ho fisorohana fivorivoriana, sy fanajana ny elanelana mirefy eo amin’ny dingan-togotra telo eo ho eo ary fitazomana ny elanelana 1 metatra eo ho eo amin'ny olon-kafa mba hampitsaharana ny fihanaky ny COVID-19. Rehefa miarahaba olona iray ianao dia tazomy hatrany io elanelana io ary sorohy ny fandraisan-tanana, oroka, na fifampikasohana. Fadio koa ny mampiasa fitateram-bahoaka tsy misy antony ary raha tsy salama dia mijanona ao an-trano. Indrisy anefa fa mahakasika ireo olona ao anatin’ny fianakavianao sy ireo namanao tsy miara-mipetraka aminao koa izany. Mifandraisa hatrany amin’izy ireo amin'ny alàlan'ny teknolojia toy ny finday sy ny tambazotra sosialy.

Inona no atao hoe olona tsy ahitana soratr’aretina?

Ny olona tsy ahitana soratr’aretina dia midika fa toa salama ilay olona kanefa mitondra ilay otrikaretina izy ary mety hamindra izany. Na ny olona tsy misy soritr'aretina aza dia mety hanaparitaka ny COVID-19, antony iray hafa hanajana ny elanelana 1 metatra izany.

Firy ny halavan’ny androm-piainan’ny COVID-19 ary rehefa inona aho no mety ho tratran’ilay aretina?

Ny faharetan'ny soritr'aretina dia matetika 5 ka hatramin'ny 7 andro, fa ny aretina dia mety hiparitaka mandritra ny 2 ka hatramin'ny 14 andro mialohan'ny hahatsiarovan'ilay olona hoe tsy salama izy. Mety harary mandritra ny tapa-bolana na mihoatra anefa izany olona izany, arakaraka ny taonany sy ny toe-pahasalamany. Tokony hitoka-monina ireo olona mahatsiaro ho tsy salama.

Inona no tokony ataoko mahakasika ity vaovao ity?

Zarao amin'ny olom-pantatrao sy ny fianakavianao ny zavatra fantatrao!

Manaraka