Banner.png

Ahoana ny fiarovana amin'ny fanavakavahana sy ny vaovao tsy marina ?

detective

Ahoana ny atao raha misy mamoaka vaovao tsy marina?

Betsaka ny olona manana fanahiana sy tebiteby amin'izao fotoana izao - ary amin'ny fotoan-tsarotra, dia indraindray ny olona mizara vaovao diso na tsy marina. Matetika izy ireo dia tsy manao fanahy iniana akory fa miezaka manampy ihany; tsy fantatr’izy ireo fotsiny hoe aiza no ahitana vavao azo antoka.

Ahoana raha misy fianakaviana na namana mampiely vaovao diso?

  1. Tsara ny manatona azy manokana aloha, na mivantana na amin’ny alàlan’ny hafatra mivantana. Mety ho mora mandray kokoa ilay hafatra izy rahefa tsy mahatsiaro ho menatra eny imasom-bahoaka.
  2. Aleo tsy ampangaina ho mpanaparitaka vaovao diso izy ireo. Ampafantaro azy ireo kosa fa ireo tantara na torohevitra nozarainy dia toa tsy avy amin'ny loharano azo antoka NA tsy tena voamarina.
  3. Atoroy azy ireo loharano azo antoka sy azo itokisana toy ny UNICEF, ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ary amporisiho izy ireo hanaraka ireo fikambanana ireo mba hahazoana vaovao farany sy marina. Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka mamporisika azy ireo izahay hiantso ny 910.

Ahoana no atao raha misy olona mandrisika fanavakavahana?

Tsy misy antony mihitsy na dia kely aza hanomezana vahana fanavakavahana na fankahalana vahiny mandritra ny valan'aretina - na amin'ny toe-javatra rehetra. Ny olona rehetra dia mety ho tratran’ny COVID-19, na inona na inona fiaviany, endriny na taonany. Anisan'ny vondron'olona marefo indrindra ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana. Tsy manavakavaka ny COVID-19, ary ny fiatrehantsika izany ihany koa dia tsy manavakavaka. .

Ahoana raha misy mpianakavy na namana manao fanehoan-kevitra manavakavaka?

  1. Andeha indray isika hanatona azy ireo manokana aloha - mivantana na amin'ny alàlan'ny hafatra mivantana. Mety ho mora mandray tsara kokoa ilay hafatra izy ireo rehefa tsy mahatsiaro ho menatra eny imasom-bahoaka.
  2. Ndao ampahafantarina azy ireo fa ilay otrikaretina dia mety hahavoa ny olona rehetra, fa tsy vondron'olona manokana ihany.
  3. Ndao ampahafantarina azy ireo fa ny fanondroa-molotra vondron'olona iray sy ny fiampangana azy ireo ho tompon’antoka amin’ny valan’aretina dia mety hiteraka voka-dratsy lehibe: mety hitarika herisetra izany ary hanakana ny olona tsy hitsabo tena rehefa ilainy izany, ka hampiroborobo ny fihanaky ny aretina izany.
  4. Ndao ampatsiahivina azy ireo fa amin’ny fotoana tahaka izao dia mila mifanohana sy mampiroborobo ny hatsaram-panahy sy ny fangorahana isika, na dia matahotra aza.
Teo aloha Manaraka