About COVID-19.png

Aelezo ny fahatsiarovan-tena ary ndao handray andraikitra!

Ahoana no ahafahanao manampy ?

08 Action a.png

**1. Araho ny UNICEF Madagascar, ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS), ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka raha te hahazo vaovao farany ****

Fanamarihana: Azo ampiarahana amin’ireo ny saram-pifandraisana

Pejy Facebook UNICEF Madagascar

Pejy Facebook OMS Madagascar

Pejy Facebook Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

  1. Zarao amin'ny namanao ny vaovao

Zarao amin'ny Facebook-nao ny hafatra azonao avy amin'ny UNICEF, OMS, ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, na amin'ny antso, na amin'ny alàlan’ny sms (na tambajotra hafa ampiasainao) mba hahazoana antoka fa manana loharanom-baovao azo antoka ny namanao!

08 Action d.png

**1. Tsapao ny fahalalanao**

Fantatrao ve ny zava-misy mahakasika ny COVID-19? Valio ireo fanontanian’ny UNICEF hahitanao izany..

**2.TsidioLA VOIX DES JEUNES ** raha hijery momba ireo tantara, tononkalo, sary ary hatsikana nataon'ny tanora mahakasika ny traikefan’izy ireo manodidina ny fipoiran’ny COVID-19.

Misorata anarana ary zarao ny tantaranao na ny famelabelarana famoronana nataonao

**3. Manaova fandaharana mivantana ao amin'ny tambazotra sosialy**

Manaova fandaharana mivantana amin'ny tambazotra sosialy ary asehoy amin'ny olona ny fomba fanasana tanana tsara sy/na miresaha momba ny maha-zava-dehibe ny elanelana 1 metatra. Ataovy azo antoka ny maha-mari-pototra ireo vaovao azonao, mialoha ny hizaranao izany amin'ny hafa; afaka mahita fitaovana maro ianao ao amin'ny le site d'UNICEF. . Azonao atao ihany koa ny mizara fanamby maromaro amin'ny alàlan’ny tambazotra eo an-toerana sy manerantany mba hampiroboroboana ny fahasalamana sy ny fiahiana mahakasika ny COVID-19.

**4. Mandefasa fampianarana**

Raha manana fahaiza-manao na fialamboly azonao atao an-trano am-pilaminana tsara ianao (dihy, tononkalo, zavakanto) dia azonao zaraina amin'ny namanao amin'ny aterineto, na any am-pianarana izany

**5. Mandraisa andraikitra**

Raiso ny andraikitra raha mahafantatra ianao fa misy fianakavianao mizara vaovao diso.

08 Action e.png

**1. Miresaha amin'ny fianakavianao**

Ataovy azo antoka fa fantatry ny olona ao amin'ny fianakavianao ny maha-zava-dehibe ny fanasana tanana, ny fahadiovana, ny elanelana 1 metatra ary ny toerana hahitana ny vaovao farany azo antoka.

Manaova fivoriam-pianakaviana mba hiresahana momba izany amin’izy ireo. Raha misy olona ao amin'ny fianakavianao tsy mipetraka miaraka aminao na tsy manana loharanom-baovao azo antoka dia antsoy izy ireo. Izany matetika no mitranga amin'ny raibe sy renibe (olona mihoatra ny 70 taona) sy ny olona hafa izay mora voan'ny aretina.

**2. Mitondrà fanampiana amin'ny alàlan’ny fianarana sy lalao**

Adihadio raha azonao atao ny manampy ny zandrinao na ny olona ao amin'ny fianakavianao hianatra ary hiala voly raha mikatona ny sekolin’izy ireo.

**3. Fisainana anaty fiaraha-monina**

Manaova hetsika ampitain-davitra miaraka amin'ny namanao, fianakavianao na mpifanolo-bodirindrina aminao mba hanehoana firaisankina mandritra izao fotoan-tsarotra izao. Any amin'ny firenena sasany, ny olona dia tsy maintsy nikarakara fihaonana mba anaovana hira na hilalaovana zavamaneno miaraka amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy – sady mijanona ao an-tokatranony mba hiarovan’izy ireo tena.

**4. Zavatra ilain'ny fiaraha-monina**

Raha ao anaty vondrom-piarahamonina ianao dia afaka miara-miasa ianareo mba hahatakarana ny fihetseham-pon'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina amin'izao fotoana izao, ny zavatra ilainy sy ny ahiahiny. Azonareo atao ny mampiasa vondrona anaty tambazotra sosialy, lisitra fanapariahana vaovao, takelaka fametrahana hafatra na antso an-telefaona mihitsy aza mba hifampidinihana amin'ny olona ary hanangonana ny lisitry ny filàn'ny fiarahamonina sy ireo olana. Azo zaraina amin’ny mpitondra eo an-toerana izany mba hanampiana azy ireo hamaly izany filàna izany.

Teo aloha