fcc166215f554500b034968ff414991a

Ilay Fifanarahana momban'ny zon'ny ankizy, mahakasika ahy izany !

Mitovy zo ny ankizy rehetra

Izay rehetra latsaky ny valo ambin'ny folo taona dia ankizy (afa-tsy any amin'ny firenena sasany izay feno taona mialohan'ny faha-18 taona ny olona iray). (Andininy 1)

Mitovy zo ny ankizy rehetra, na aiza na aiza fiaviany, na inona na inona firazanany, lokony, na lahy na vavy, na inona na inona fiteniny, fivavahany, fahaiza-manaony, heviny na hevitry ny ray aman-dreniny, ary na inona na inona toe-javatra ara-toekarena, ara-pianakaviana, na ara-tsosialy iainany. (Andininy faha-2)

Teo aloha