0e234dfa385e47a4a657cb9708fcd65c

Mikarakara ahy ny ray aman-dreniko !

Manana adidy amin’ny zanaka ny ray aman-dreny

Manan-jo hiara-hipetraka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy tsirairay. Raha tsy azo atao izany satria tsy eo ny ray aman-dreniny na noho izy ireo mampijaly azy, dia manana zo hahafantatra ny toerana misy ny ray aman-dreniny ilay zaza ary afaka mahita azy ireo hatrany. (Andininy faha-9)

Raha monina any amin'ny firenena samy hafa ny ray aman-dreny, dia afaka manaraka azy ireo ny zanany. (Andininy faha-10)

Manan-jo hanana fiainana manokana ny ankizy. Ny lalàna dia tokony hiaro azy ireo amin'ny zavatra manohitohina ny fomba fiainany, ny fianakaviany, ny fonenany, ny hajany ary ny lazany. (Andininy faha-16)

Ny fanajana sy ny fanatanterahana ny zon’ny zaza dia mahakasika indrindra ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana. Manana zo sy adidy izy ireo, izay tokony hajain’ny fanjakana. (Andininy faha-5)

Samy tompon’andraikitra amin’ny fitaizana sy ny fampivelarana ny zanany ny ray aman-dreny roa tonta. Ny fitadiavana izay mahasoa ny zanany hatrany no tokony ifantohan’izy ireo. Ny fanjakana dia tokony hanao izay hahatontosa izany ao anatin’ny toe-javatra tsara indrindra araka izay azo atao. Raha tsy afaka mikarakara ny zanany ny ray aman-dreny dia misy olona voatendry hanao izany. (Andininy faha-18)

Teo aloha Manaraka