622ee14a5b444f86a0f7457afe658ce4

Raha tsy afaka mikarakara ahy ny ray aman-dreniko, dia ahoana ny fandehany ?

Ny fanjakana dia tokony manampy ireo ankizy tsy miara-mipetraka amin'ny fianakaviany.

Rehefa tsy afaka miaro na mikarakara azy ny ray aman-dreny na ny mpitaiza azy dia tokony manao izany ny fanjakana. Rehefa manapa-kevitra ny olon-dehibe dia tokony zony antoka fa mahasoa ny ankizy izany. (Andininy faha-3)

Ny zaza tsy afaka miara-mipetraka amin’ny fianakaviany noho izany dia manan-jo hahazo fiarovana sy fanampiana avy amin’ny fanjakana. Izy dia azo apetraka eny anivon’ny fianakaviana na toerana mpampiantrano izay tsy maintsy manaja ny fivavahany, ny kolontsainy ary ny fiteniny. (Andininy faha-20)

Rehefa tsy afaka miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny intsony ny zaza iray ka miaina anaty fianakaviana hafa dia midika ho fananganan-jaza izany. Ao anatin’ny rafitry ny lalàna ihany no ahafahana manao izany ary raha toa ka manatsara ny fiainan’ilay zaza ny fananganan-janaka. Ny fananganan-jaza dia tsy azo atao raha tsy nanome alàlana ny ray aman-dreny, ny solontena ara-dalàna ary ny olona rehetra voakasik'izany. Tsy manan-jo hahazo tombony amin’izany izy ireo (ohatra hoe fahazoana vola). (Andininy faha-21)

Rehefa tsy miara-mipetraka eo anivon’ny fianakaviany ny zaza iray (fa ohatra hoe any amin’ny hopitaly, na fianakaviana mitaiza na tokantrano mampiantrano iray) dia tsy maintsy averina jerena tsy tapaka ny toe-javatra iainany, mba hahitana raha mbola ireo toe-piainana ireo no tsara indrindra ho azy. (Andininy faha-25)

Teo aloha Manaraka