90f28c62bd7f4b96978872a08ab686f6

Mianatra aho !

Tsy maintsy mandeha an-tsekoly sy mianatra ny ankizy

Ny ankizy tsirairay dia manan-jo sy manana adidy hianatra mandra-pahatongan'ny taona iray voafaritra, ary tokony amporisihana hanohy ny fianarany mandritra ny fotoana maharitra. Tokony ataon’ny fanjakana maimaim-poana ny sekoly ambaratonga fototra ary tokony handraisany didy ihany koa ny ankizy rehetra mba hamonjy izany sekoly izany. (Andininy faha-28)

Tokony ho afaka mianatra zavatra isankarazany any an-tsekoly ny ankizy. Manan-jo hahazo fanabeazana tsara kalitao izay mampiroborobo ny fivoaran'ny maha-izy azy izy ireo. Ny sekoly dia zava-dehibe amin'ny fanomanana ny fiainan'izy ireo rehefa lehibe ary tokony mampianatra azy ireo hiaina am-pilaminana ohatra, hiaro ny tontolo iainana ary hanaja ny hafa. (Andininy faha-29)

Ny ankizy dia manan-jo hahafantatra izay zava-dehibe hahitany fahasoavana. Ny radio, fahitalavitra, boky, gazety, solosaina sns…dia manampy azy ireo amin’ny fitomboany sy ny fianarany. Ny olon-dehibe dia mila mahazo antoka fa mahasoa ilay fampahalalana ary tokony manampy ny ankizy hahita sy hahatakatra ny vaovao ilainy izy ireo. (Andininy faha-17)

Teo aloha Manaraka