882c3ff72bbc4f46a295c59261f36575

Afaka maneho hevitra aho !

Manana fahalalana malalaka hieritreritra sy haneho hevitra ny ankizy.

Manan-jo hanome ny heviny momba ny raharaha rehetra mahakasika azy ny ankizy. Tsy maintsy hajaina sy dinihina ny hevitr’izy ireo, arakaraka ny taonany sy ny fahamatorany. Alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe momba ny zaza iray, dia tokony anontaniana ny heviny. (Andininy faha-12)

Manan-jo hanana fahalalahana maneho hevitra ny ankizy. Midika izany fa afaka mitady, mandray ary mizara vaovao sy hevitra amin'ny hafa izy ireo. Amin’ny alàlan’ny kabary, na sary, na fanoratana, ny ankizy dia afaka maneho ny heviny rehetra, raha toa ka manaja ny lalàna sy ny olona izy ireo. (Andininy faha-13)

Ny ankizy dia manan-jo hanana fahalalahana mieritreritra, manana feon'ny fieritreretana sy fivavahana: afaka misafidy ny fivavahany izy ireo, manapa-kevitra ny tsy hino an'Andriamanitra, ary manana ny heviny manokana momba izao tontolo izao sy ny olona. Tokony hanampy azy ireo hanapa-kevitra ny ray aman-dreniny, fa tsy manery azy ireo akory.

Ny lalàna ihany no afaka mametra ny fahafahan’ny ankizy haneho ny fivavahany na ny finoany. Ohatra, rehefa manohintohina ny filaminana sy ny filaminam-bahoaka io fahalalahana io. (Andininy faha-14)

Zon’ny ankizy ny mihaona amin’izy samy izy na amin’ny olon-dehibe, hamorona na ho mambran’ny fikambanana na vondron’olona, ​​raha toa ka manaja ny lalàna sy tsy manisy ratsy olon-kafa. (Andininy faha-15)

Teo aloha Manaraka