3322ca6dc26540129b05c7d066532a9f

Nampanantenaina izany !

Ny olon-dehibe rehetra dia tokony hampanaja ilay Fifanarahana ho an'ny zon'ny ankizy

Ny firenena rehetra maneran-tany dia tokony manome antoka fa ho voahaja ireo andininy rehetra ao amin'ilay Fifanarahana. Ny firenena tsy manana fahafahana mahakasika izany dia mety afaka ampian’ny firenena hafa. (Andininy faha-4)

Ny fanjakana dia tokony mampahafantatra ny olon-dehibe sy ny ankizy momba ny zon'ny zaza amin'ny fireneny ary manaja izany zo izany. (Andininy faha-42)

Ny fanjakana sy ny fikambanana iraisam-pirenena (toy ny UNICEF) dia tokony manao izay azony atao mba hahafahan’ny akizy misitraka ny zony rehetra. Ilay Fifanarahana dia mampiseho amin'izy ireo ny fomba hiaraha-miasa mba ahafahan'ny ankizy rehetra misitraka ny zony tsirairay. (Andininy faha-43–54)

Manaraka