061ecbbe06414fadad2982c3ae2731ce

Mijery ny taonako ny mpitsara!

Tsy tokony handray ny ankizy ho toy ny olon-dehibe ny Fitsarana

Tsy azo ampidirina am-ponja miaraka amin'ny olon-dehibe mihitsy ny ankizy manao fahadisoana. Azo ekena ny fanagadrana raha toa ka tsy misy zavatra hafa azo atao mihitsy ary raha toa ka tsy iharan’ny herisetra ilay zaza voahidy. Amin'ity tranga ity dia tsy maintsy afaka mahita azy hatrany ny ray aman-dreniny ary tsy maintsy mahazo fanampiana ilay ankizy. Tsy azo helohina ho faty na mandram-pahafaty mihitsy ny zaza iray. Tsy maintsy manaraka ireo fitsipika ireo ny mpitsara, ny polisy ary ny mpiambina. (Andininy faha-37)

Ny zaza meloka amin'ny fandikan-dalàna dia tsy maintsy karakaraina araka ny tokony ho izy. Tsy maintsy misy porofo mazava mikasika ny helony. Manan-jo hahazo mpisolovava ny ankizy tsirairay. Ny zaza dia manan-jo hahazo fitsaboana sy sazy manaja ny zony, mifandraika amin’ny taonany, ary manamora ny fiverenany eo anivon’ny fiaraha-monina. (Andininy faha-40)

Teo aloha Manaraka