5a257d3051ba4b9fb7d6883adc71d5fc

Tsy misy manan-jo hanisy ratsy ahy !

Tsy misy olon-dehibe afaka manararaotra na mampidi-doza ankizy

Tsy misy manan-jo hanisy ratsy ny zanany, na dia ny ray aman-dreniny aza. Ny ankizy dia tsy maintsy arovana amin'ny karazana herisetra rehetra (ara-batana, ara-tsaina na firaisana ara-nofo), fandaozana na tsy firaharahiana, fampijaliana na fanararaotana. (Andininy faha-19)

Tsy maintsy arovana amin’ny zava-mahadomelina ny ankizy. Tsy afaka mividy, mivarotra na mamokatra izany izy ireo. (Andininy faha-33)

Tsy maintsy arovana amin'ny karazana fanararaotana ara-nofo sy herisetra ara-nofo rehetra ny ankizy, anisan'izany ny fanambadiana aloha loatra. (Andininy faha-34)

Tsy afaka manery ny ankizy hanao zavatra mampidi-doza ny olon-dehibe. (Andininy faha-36)

Tsy misy manan-jo haka an-keriny, na hivarotra zaza. (Fitsipika faha-35)

Tsy azo entina lavitry ny ray aman-dreniny ny zaza iray raha tsy nahazoana alàlana tamin’izy ireo izany; tsy azo tazomina any ivelany ihany koa ilay zaza, satria fakana an-keriny izany. Raha misy ankizy nalaina an-keriny, dia tsy maintsy manao izay hanafahana azy ny fanjakana, na aiza na aiza firenena misy azy. (Andininy faha-11)

Teo aloha Manaraka