23b2978e9ebd4bb082056527d7e202f9

Miaro ahy ny lalàna, amin'ny toe-javatra rehetra!

Ny Fifanarahana dia mamaritra ny toe-javatra manokana rehetra

Ny ankizy tsirairay dia manan-jo hanana, na hisafidy ny kolontsainy, ny fiteniny ary ny fivavahany, na dia vitsy an'isa ao amin'ny firenena misy azy aza izy. (Andininy faha-30)

Manan-jo hahazo fikarakarana sy fiarovana manokana ny ankizy rehetra manana fahasembanana. Tokony ampiana araka izay tratra izy amin’ny fivoarany ho toy ny zaza tsy manan-kilema. Tokony hahazo fanohanana ny ray aman-dreny manan-janaka sembana. (Andininy faha-23)

Ny ankizy niharan'ny herisetra, ny fanararaotana na ny tsy firaharahiana dia tokony misitraka fiahiana manokana mba hahafahany miaina ara-dalàna indray. (Andininy faha-39)

Indraindray ny ankizy dia tsy maintsy mandao ny tokantranony noho ny antony samihafa, toy ny mosary na ady. Manan-jo hampiana ireo ankizy ireo mba ho tafavoaka velona sy ho tafaray amin’ny fianakaviany indray. Raha tsy maintsy mandao ny tanindrazany izy ireo, dia manan-jo hisitraka ny sata maha-mpitsoa-ponenana mba ho voaro, hahazo fanampiana ary hisitraka ny zony. (Andininy faha-22)

Rehefa misy ady, ny ankizy dia tokony afaka harovana sy hahazo ny fikarakarana ilainy. Ny ankizy latsaky ny 15 taona dia tsy tokony handray anjara amin'ny ady na ho voantso ho miaramila. (Andininy faha-38)

Raha tsara kokoa ny fiarovan’ny lalànan'ny firenena iray ny zon'ny ankizy mihoatra amin’ity Fifanarahana ity dia ilay lalàna ao amin'io firenena io no mihatra. (Andininy faha-41)

Teo aloha Manaraka