336682475f384b2e8cfa1e74aca4163c

Inona ny Fifanarahana momban'ny zon'ny ankizy ?

Ny tanjona sy ny foto-kevitr’ilay Fifanarahana

Ny Fifanarahana momba ny Zon'ny Ankizy dia fifanarahana iraisam-pirenena izay manaiky sy miaro ny zon'ny ankizy manokana. Midika izany fa ny firenena rehetra dia nanao fanekena mikasika ny zo manan-danja hanomezana antoka fa ny ankizy dia hihalehibe sady hisitraka fanabeazana, fahasalamana, ary koa handray anjara amin'ny fiainana sy ny fanapahan-kevitry ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina misy azy ireo.

Fitsipika efatra lehibe no fototry ny Fifanarahana :

  • Tsy fanavakavahana: ny ankizy rehetra maneran-tany dia manana zo voafaritr’ilay Fifanarahana, na avy aiza na avy aiza, na iza izy na iza, ary na inona na inona toe-tany misy azy.
  • Ny tombontsoa ambonin'ny ankizy: rehefa mandray fanapahan-kevitra iray ny olon-dehibe dia tokony hieritreritra mialoha izy ireo ny amin’ny fiantraikan'izany fanapahan-kevitra izany amin'ny ankizy ary manao izay hahasoa azy ireo.
  • Ny zo ho velona sy hivoatra: ny ankizy rehetra dia manan-jo hiaina ary ny fanjakana dia tokony hiantoka ny fahavelomany sy ny fivoarany
  • Ny hevitry ny ankizy: ny ankizy dia manan-jo haneho hevitra malalaka momba ny raharaha rehetra mahakasika azy. Tokony raisina araka ny taonany sy ny fahamatorany ny hevitr’izy ireo