Fiarovana ny fiainanao manokana
Nahoana aho no tsy maintsy mamorona tenimiafina ho an'ny tranonkala sasany tiako hampiasaina? - Ny tenimiafina dia manampy amin'ny fiarovana ny mombamomba anao, ary koa ny kaonty mailaka sy ny kaonty amin’ny tambajotra sosialy.
-
Aza omena na iza na iza ny tenimiafinao.
-
Ny tenimiafina azo antoka dia misy litera, isa ary marika.
-
Ny tenimiafina ratsy dia, ohatra, ny anaranao, ny daty nahaterahanao na ny “12345” satria mora vinavinaina mba hahafahana mijirika ny kaontinao.
-
Aza mampiasa tenimiafina mitovy amin'ny kaonty rehetra.
-
Ovay ny tenimiafinao isaky ny volana vitsivitsy.